Alatsinainy 12 Jolay 2027
Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao ? aza mitady izany ! Jeremia 45:5
Efa nanao izay azony natao izy. Marka 14:8
Izay mahavita manainga 50 kilao dia afaka manainga 5 kilao. Izay mahaloa vola 1000 ariary dia mahaloa ariary 100. Mazava ho azy ! Izany no nahatonga ny fomba fiteny hoe : „Izay mahefa ny be dia mahavita ny kely”. Mifamadika amin’izany anefa ny ambaran’i Jesosy antsika : Izay mahatoky amin’ny kely dia mahatoky amin’ny be (Lioka 16:10). Mba manaitra ihany izany !
Tsy araka ny tena izy lalandava, ary mety handiso fanantenana antsika aza, ny fiheverana fa afaka mahavita betsaka isika. Nefa kosa haintsika atao mandrakariva ny manomboka amina zavatra kely. Raisintsika ho ohatra ilay zazalahy tsy nanana afa-tsy hazandrano roa sy mofo dimy, ary namela an’i Jesosy hampiasa izany : olona 5000 no afaka novokisana tamin’izany zavatra kely izany, ary mbola nisy ambiny aza (Jaona 6:9-13) !
Dia toy izany koa, zavatra kely ihany ny hoe manomboka mamaky andininy vitsivitsy ao amin’ny Filazantsara, nefa efa fanombohana tsara ! Tsy hay atao ny hahatakatra avy hatrany ny hafatra raketin’ny Baiboly manontolo. Nefa raha mahatakatra teny iray isika androany ka miaina izany, dia hahatakatra teny iray hafa rahampitso. Ny fampahazavan’ny teny tsirairay dia hahafahantsika mahatakatra miandalana ny harenan’ny hafatr’Andriamanitra.
Hoy ny Tompo momba an’i Maria avy any Betania : „Efa nanao izay azony natao izy”. Ny kristiana dia irahina hanompo ny Tompony. Mba ho afaka miteny amin’ny tsirairay ve Izy ? hoe : „Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin’ny fifalian’ny tomponao” (Matio 25:23). Samy manana zavatra kely avokoa isika rehetra. Nefa koa manana Andriamanitra lehibe aoka izany, Izay manao zavatra lehibe dia lehibe.