Alahady 11 Jolay 2027
Ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo ; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. Eksodosy 12:13
Nandritra ny taona maro i Julie dia nitebiteby ny amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Tena mahasarona ny fahotany rehetra eo anatrehan’Andriamanitra tokoa ve ny nijalian’i Jesosy sy nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana ? Raha ho faty ve izy, afaka hiantehitra amin’ny famelan-keloka feno omen’Andriamanitra, amin’ny fahasoavan’Andriamanitra tsy mendrika azy ? Nihevitra mandrakariva izy fa tokony hanao zavatra, mba hahazo sitraka avy amin’Andriamanitra. Niezaka hanompo Azy sy hitandrina ireo didiny izy, nefa ampy ve ny fanoloran-tenany ? Tiany ny nifikitra tamin’ireo fampanantenana ao amin’ny Baiboly, nefa ampy ve ny mino azy ireny ? Nanandrana hahatakatra mazava kokoa ny herin’ny ran’i Jesosy izy ; nefa mbola nanjavozavo taminy avokoa izany rehetra izany. Kivy izy, satria tsy afaka nanao na inona na inona ankoatra izany.
Indray andro izy dia namaky ny tantaran’ny Paska (Eksodosy 12). Nasain’Andriamanitra nanisy ran-janak’ondry teo amin’ny tolam-baravaran’ny tranony avy ny vahoahany isam-pianakaviana, mba tsy ho faty. Io dia kisarisarin’ny sorona hataon’i Jesosy, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Rehefa namaky i Julie hoe : „Raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo”, dia nataon’ny Fanahy Masina nahatakatra fa Andriamanitra no manambara io teny io. Dia iny izy no afaka tamin’ireo fisalasalany !
— Eny, manan-danja goavana amin’Andriamanitra ny ran’i Jesosy ; ary tsy miankina amin’ny tombana ataoko izany. Handalo ahy Izy, ary tsy hikasika ahy ny mpandringana : „Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7).
Isika ve mba mahatsapa izany fanafahana mahatalanjona izany ? rehefa manatona ny hazofijaliana. Eny, Jesosy dia nanao fampihavanana tamin’„ny rany teo amin’ny hazofijaliana” (Kolosiana 1:20).