Asabotsy 10 Jolay 2027

Ny ain’ny nofo dia amin’ny ra… fa ny ra no manao fanavotana, satria aina izany. Levitikosy 17:11

Raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka. Hebreo 9:22

 

Atao inona io ra rehetra io ?

„Ny tsy tiako amin’ny fivavahanareo dia io ra rehetra io, ireo sorona rehetra ireo. Maharikoriko ahy !” hoy ny olona iray nanambarana ny Filazantsara. Marina tokoa fa hita in-400 eo ho eo ao amin’ny Baiboly ny teny hoe „ra” ! Ny ra no famantarana ny fisian’ny aina, izay mamelona ny olombelona. Raha miala tao amin’ny vatana izy, dia midika fahafatesana izany.

Dieny ao amin’ireo takila voalohany ao amin’ny Baiboly anefa, dia nalatsaka ny ra, mifandraika amin’ny fahotan’ny olombelona, satria notafin’Andriamanitra hodi-biby i Adama sy Eva, meloka noho ny tsy nankatoavany Azy. Ny teny androany dia milaza ihany koa fa afaka ho voavela heloka ny olona, satria Andriamanitra, araka ny fahasoavany, dia manaiky ny aina ana hafa atolotra (aina ambaran’ny „ra” an’io hafa io). Izany no hevitry ny teny hoe „fanavotana” (Andriamanitra dia manjary afaka mamindra fo, afaka mankasitraka).

Naverimberina ireo sorona biby notendrena hatao ao amin’ny fizarana voalohany amin’ny Baiboly, ary tsy nanao afa-tsy nanambara mialoha ilay sorona tokana azon’Andriamanitra ekena, dia ny sorona nataon’i Jesosy, Ilay fanatitra lavorary, Andriamanitra tonga olona, Izay nanolotra ny ainy ho an’ny olona meloka eo anatrehan’Andriamanitra. Satria nalatsaka ny rany, dia manambara izany fa tena maty tokoa Jesosy ary nanolotra an-tsitrapo ny ainy, ho sorona nisolo toerana ahy (Jaona 19:34-35).

Nanomboka hatreo dia tsy maharikoriko intsony io ra rehetra io, satria manambara „ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina” (1 Petera 1:19). Tamin’ny alalany dia voavela heloka tanteraka ho mandrakizay aho, izay tsy nankatò an’Andriamanitra, vita fihavanana amin’Ilay Mpahary ahy, Izay hitako fa Ray tia ahy.