Zoma 9 Jolay 2027
Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjainy. Hosea 8:7
Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah… dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho. Zakaria 1:3
Hita amin’ny fiteny maro izany ohabolana izany. Midika izy io, amin’ny hevitra itarina, hoe raha miteraka korontana kely aho (mamafy rivotra), dia hijinja zava-dratsy goavana (tadio)… Zavamisy mety hiainan’ny tsirairay izany, indray andro any, miteraka vokatra lozan-tany indraindray.
Efa voasoratra ao amin’ny Baiboly ny ambaran’io ohabolana fantatry ny maro io. „Rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjainy”, hoy ny mpaminany Hosea, izay niaina tamin’ny taonjato faha-8 talohan’i J.K. Amin’ny alalan’izany sary mora takatra izany, nalaina tao amin’ny tontolon’ny fambolena, Andriamanitra dia manonona fitsarana ny olony, izay nihodina taminy ka lasa nanompo sampy, izay tsy misy dikany tahaka ny rivotra. Ho valin’izany dia nanambara ny mpaminany fa ho rava ny firenena, ary ho lasan-ko babo ny vahoaka : tadio tena tadio izany, ho azy ireo.
Mandeha lavitra kokoa anefa ny hafatr’i Hosea. Mampahafantatra ihany koa izy fa Andriamanitra dia vonona mandrakariva hamindra fo, hamela heloka, raha toa isika miantso Azy ka miaiky ny fahadisoantsika sy matoky azy. Tsy misy fetra ny fitiavany, fitiavana mahery noho ny zavatra rehetra… ary hanana ny teny farany.
Indraindray isika dia mety hovesaran’ny zava-mampahita loza, vokatry ny safidim-piainantsika. Avelao i Hosea hampahery antsika : „Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’i Jehovah, ka manaova aminy hoe : Mamelà ny heloka rehetra” (Hosea 14:3). Tahaka ny tamin’ny andro taloha, dia manome toky antsika Andriamanitra hoe : „Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho” (Hosea 14:5).
(hitohy isaka zoma)