Alakamisy 8 Jolay 2027

Hoy Jesosy taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Jaona 11:25

Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko… Izay mahavoky soa ny vavanao ; ny fahatanoranao mody indray, toy ny an’ny voromahery. Salamo 103:2, 5

 

Hatanorana mandrakizay

Hevero anie hoe misy bokotra „replay” (famerenana indray) ahafahana mamerina ny fiainana sy manohitra ny fotoana sy ny fahafatesana… Nofy ve izany ? Hatramin’ny fahagola ny olombelona, mikatsaka ny tsy fahafatesana, no naniry ho tanora mandrakizay. Vola tsy toko tsy forohana no ampiasaina ankehitriny, mba hanandramana hampitsimbadika na hanakana ny fahanterana. Misy mpahay siansa mandinika karazana biby iray mitsinkafona ambony ranomasina, antsoina hoe „méduse immortelle” (Turritopsis dohrnii), izay tsy mba mety maty noho ny fahanterana, satria voamboatra hatrany izay fahasimban’ny ADN-ny. Ary misy fanandramana hafa, mikendry hanatanora ny vatana sy ny saina.

Mihelina ny fiainan’ny olombelona. Ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Teniny fa tahaka ny aloka mihelina izany (Mpitoriteny 6:12). Ny voninkazo tsara tarehy indrindra, na ho ela na ho haingana, dia halazo ; na ny „raozy mandrakizay” aza, izay karakaraina haharitra amin’ny alalana fivoarana ara-tsimia, dia voafetra ihany ny androny. Marefo ny fiainantsika : raha vao alain’Andriamanitra amin’ny olombelona fotsiny ny fofonainy, dia miala ny ainy, ka miverina ho amin’ny vovoka indray izy.

Na izany aza anefa, dia tokony hatahorana ve ny fahanterana sy ny fahafatesana ? Andriamanitra, noho ny fitiavany, dia manolotra antsika ny fiainana mandrakizay : „Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:36). Ny hoe mino ny Zanak’Andriamanitra dia manaiky fa maty nisolo antsika Izy. Raha mandà izany isika, dia ho meloka mandrakizay, lavitra an’Andriamanitra. Efa noraisinao ve io fanomezana maimaimpoana io ? Raha izany, na dia ao anaty fahanterana aza ianao, dia hohavaozina sy ho sambatra, velona miombona amin’Andriamanitra. Amin’izay ny fahafatesana dia manjary fiampitana mankany an-danitra, any amin’ny fanatrehan’i Jesosy mandrakizay.