Alarobia 7 Jolay 2027
Mahatoky … Andriamanitra. 2 Korintiana 1:18
Tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany ; lehibe ny fahamarinanao. Fitomaniana 3:22-23
Novakintsika ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Jonathan Tjarks, izay avy tamina tsy finoana feno faharesen-dahatra, nankamina finoana velona an’i Jesosy, rehefa 25 taona izy. Nanao lahatsoratra manaitra ny saina izy tamin’ny faha-34 taonany, enim-bolana talohan’ny nahafatesany, nitantara ny adiny tamina homamiadana teo amin’ny dingana farany. Nosoratany tao ny faniriany hanampiana sy hanohanan’olon-kafa ny vadiny sy ny zanany lahy 2 taona. Nampahatsiaro teny ao amin’ny Baiboly izy, milaza ny fanampiana ny mpitondratena sy ny kamboty (Eksodosy 22:21 ; Jakoba 1:27).
Io fieritreretan’i Jonathan Tjarks ny zanany io dia mampahatsiahy Jonatana iray hafa ao amin’ny Baiboly. Izy koa dia maty, fony mbola 5 taona monja ny zanany lahy. Naman’i Davida izy io. Jonatana dia zanaka lahin’ny mpanjaka Saoly, nanenjika an’i Davida, izay nampanantenain’Andriamanitra hanjaka. Nahazo antoka i Jonatana fa ho mpanjaka i Davida indray andro any, ka nampianiana an’ilay sakaizany hamindra fo amin’ny taranany (1 Samoela 20:15, 42).
Tatỳ aoriana dia nanontany i Davida hoe : „Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’i Saoly, mba hasiako soa noho ny amin’i Jonatana ?” (2 Samoela 9:1). Dia nentina teo aminy i Mefiboseta zanak’i Jonatana, izay malemy. Noraisin’i Davida ho eo ambany fiarovany izy. Isanandro izy dia niara-nisakafo tamin’ny mpanjaka, ary tia an’i Davida.
Ny fihetsik’i Davida tamin’ny ankohonan’i Jonatana dia mampahatsiahy antsika ny tsy fivadihan’Andriamanitra amin’izay rehetra tiany, ka mamaly fitiavana Azy koa. Antsoin’Andriamanitra ihany koa isika haneho fahatsaram-po amin’ireo izay mila zavatra betsaka, fa indrindra ireo fadiranovana mbamin’ireo izay fantatsika sy tiantsika ny ray aman-dreniny.
(tapitra)