Talata 6 Jolay 2027
Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao (fahariana vaovao) izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Korintiana 5:17
„Efa nahaliana ahy hatrizay ny tantara, ary arakaraka ny nandinihako ny tantaran’ny fivavahana kristiana no nahitako ny fomba anamarinany ny finoana kristiana. Ireo Jiosy voalohany dia vahoaka kely, imbetsaka resina vahoaka hafa. Tokony ho foana teo amin’ny tantara izy ireo. Saingy nino ny hiaviana Mesia Izay hampahafantatra Ilay Andriamaniny amin’ny firenena rehetra ; ary izany finoana izany no nahazakan’izy ireo zava-doza maro.
Indray andro dia nisy mpitoriteny mahantra nipoitra, nilaza ny tenany ho Ilay Zanak’Andriamanitra. Nitory ny Filazantsara nandritra ny telo taona monja Jesosy, tany amina faritany lavitra tao amin’ny fanjakanabe romana, ary avy eo dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Ireo mpianany, izay vitsy an’isa, dia nenjehina… Tsy nisy antony mihitsy nahafahana nihevitra fa ny fahafatesan’i Jesosy dia nanamarika ny fiandohana hetsika hanova izao tontolo izao.
Nefa ny fiovako dia ara-tsaina ihany. Ny antsasaky ny tantara monja izany. Mbola tsy nino hatrany izay mihoatra ny voajanahary aho. Niova izany, herintaona tatỳ aoriana. Tamina fampisehoana iray tany Dallas (any Etazonia), rehefa nahita ny mpijery nandihy aho, dia tonga saina fa tena fanompoan-tsampy miharihary izany rehetra izany. Nisy tahaka tselatra tsapako namakivaky ny vatako. Ny harivan’io aho dia niantso an’ilay mpiara-miasa tamiko taloha, mba homeny adiresim-piangonana vitsivitsy. Zavatra maro no tokony hiova teo amin’ny fomba fiainako. Ankehitriny aho dia mino ny Tompo Jesosy. Tsy mora mandrakariva ny miaraka aminy, diso lalana aho indraindray. Nefa tsy nanenenako na oviana na oviana ny fanapahan-kevitro… Tsy nanan-danja tamiko intsony ireo zavatra nomeko lanja taloha… Tonga saina aho fa avy amin’i Jesosy sy avy tamin’ny sorona nataony ny maha izaho vaovao ahy”.
Jonathan Tjarks (1987-2022) (hitohy)