Alatsinainy 5 Jolay 2027
Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra ; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany. Salamo 19:1
„Tsy mba nieritreritra mihitsy aho hoe hanjary kristiana. Izaho dia nihalehibe tao amin’ny fiheverana fa manana ny valim-panontaniana rehetra ny siansa, ary tsy inona ny fivavahana fa finoanoam-poana efa nilaozan’ny toetrandro. Niainako araka ny soatoavina ahy samirery ny 25 taonako voalohany. Nihevitra aho fa afaka nanao izay tiako hatao, rehefa tsy mandratra ny hafa. Niliba tamin’ny fiainana aho, nisotro, nandray zava-mahadomelina. Nefa tsy nahatsiaro tena ho sambatra na afa-po akory.
Ny lalako ho amin’ny finoana dia nanomboka tamina andro niarahako nisakafo hariva tamina mpiara-miasa iray sy ny vadiny, izay samy kristiana. Tsy nisy zavatra nampiavaka azy ireo, nefa nanaitra ny fahasamihafana teo amin’ny fiainanay. Tsy mba nimamo ilay mpiara-miasa amiko sy ny vadiny. Tsy mba niala voly izy ireo rehefa faran’ny herinandro, fa nanampy ny hafa. Indraindray aho niara-nankany am-piangonana tamin’izy mivady, ary tsapako ho mahasarika ny fiaina kristiana. Nefa tsy noheveriko horaisina mihitsy.
Ny zavatra voalohany nanozongozona ny fijeriko an’izao tontolo izao dia ny famakiana lahatsoratra iray mikasika ny mpahay siansa maro, izay nihevitra fa izao tontolo rehetra misy antsika izao dia nalahatra tam-pikendrena fatratra mba hahasoa antsika. Araka ilay mpahay kintana Martin Rees, dia tsy maintsy tena ho amin’izay izy tokoa ny sandan’ireo isa enina mamaritra ny toetra ara-batan’izao tontolo rehetra izao, mba ho afaka misy ny aina. Tsy dia tena afaka manazava izany fifanojoana mahazendana izany ireo mpahay siansa.
Takatro fa tsy mitombina ny hanantena ny Baiboly mba hifanaraka amin’ny siansan’ny taonjato faha-21. Zavatra hafa no tanjon’ny Baiboly, ho hitako any aoriana : mamaly ireo fanirian’ny fon’ny zanak’olombelona izy. Faniriana tsy mba miova na oviana na oviana”.
(hitohy)