Alahady 4 Jolay 2027
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy ; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be. Jaona 12:24
Jesosy dia toy ilay voambary resahin’ny andinin-tSoratra Masina androany. Fony tetỳ an-tany Izy dia tonga Olona, nefa tsy mba tahaka antsika rehetra, izay iharan’ny fahafatesana vokatry ny ota, satria tsy misy ota ao aminy (2 Korintiana 5:21). Nefa fantany fa tahaka ny voambary nafafy ka levona mba hanome tsiry vaovao, dia hitoetra irery tsy hamoa Izy, raha tsy maty. Raha toa Izy niverina any amin’Andriamanitra, any amin’ny voninahitry ny lanitra, tsy nandalo fahafatesana… dia ho nitoetra ho irery.
Izany no nahatonga Azy hisafidy, noho ny fankatoavany sy fitiavany an’Andriamaniny, ny ho faty mba hamoa, mba hitondra ho amin’Andriamanitra, ankohonana, zanaka avy amin’ireo lehilahy sy vehivavy teo ambany fanamelohana ho faty. Vaovao mahafaly anie izany e ! „Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery (nomeny zo) ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12).
Any an-danitra Izy ankehitriny, nefa tsy miova ny fampanantenàny : „Raha handeha … Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:3). Izy ve tsy niteny tamin’ny Rainy hoe : „Ray ô, tiako mba ho any amiko, amin’izay itoerako, ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy” (Jaona 17:24) ? Ny iray amin’ireo fotoana vitsy mba ilazan’ny Filazantsara sitrapo nambaran’i Jesosy nandritra ny fiainany, dia mikasika ny maha any an-danitra antsika miaraka aminy !
Fifaliana toy inona moa, ho Azy sy ho antsika ! ny mieritreritra an’io fotoana mahatalanjona io, hoe „noho ny fisasaran’ny fanahiny, dia hahita izany Izy ka ho afa-po” (Isaia 53:11).