Asabotsy 3 Jolay 2027

Fa ny fombany (ny fomban’Andriamanitra) tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony ; ka dia tsy manan-kalahatra ireo (ny olona). Romana 1:20

Finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana. 2 Korintiana 5:7

 

Siansa sy finoana

Ny Baiboly dia milaza ny finoana ho „fanehoana ny zavatra tsy hita” (faharesen-dahatra ny amina zavamisy tsy hita maso, Hebreo 11:1). Ny ambaran’izany dia hoe manaiky fa misy Andriamanitra Mpahary, mijery manokana ny fiainan’ny olombelona. Sarotra ekena io fahamarinana io, any amin’ny fiarahamonina manome ny toerana faratampony ho an’ny saina (la raison) sy ny fandrosoana ara-tsiansa.

Koa azo heverina ihany ny fisalasalana ny amin’ny fisian’Andriamanitra. Nefa samy tsy ilaina ny miezaka, na hanaporofo ny tsy fisian’Andriamanitra, na hanaporofo ny fisiany. Ireo mpanohitra mafy indrindra ny hafatry ny Baiboly, matetika, dia miezaka handà io hafatra io amin’ny alalana porofo ara-tsiansa, anoherany ny tantaran’ny fahariana ao amin’ny Genesisy. Nefa matetika koa ireny fanoherana ireny dia miorina amina fifandisoan’eritreritra. Na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly tokoa mantsy dia tsy misy filazana ny fizotra ara-tekinikan’ny fahariana. Nisy hevitra ara-tsiansa maro naroso. Nefa ny hany ambaran’ny Baiboly momba ny tantaran’ny fahariana dia hoe Andriamanitra no nampisy izao tontolo izao. Ankoatra izany, ny siansa dia nanaporofo fa voafaritra mazava aoka izany ny zavatra ilaina hampipoitra sy hihazona izao tontolo rehetra izao, hany ka raha dinihina, dia mitombina kokoa ny mino ny fisiana Saina ambony noho ny kisendrasendra tsotra.

Nefa tsy handresy lahatra anao ny lahakevitra azon’ny saina ekena, satria raha zohina, dia safidy no tsy maintsy atao : na mino ny kisendrasendra, na manaiky ny fitantaran’ny Baiboly, izay mampahafantatra antsika an’Ilay Andriamanitra Mpahary, Izay Andriamanitra Mpamonjy koa.