Zoma 2 Jolay 2027
Hoy Jehovah : Ity vao fiandohan’ny hataony ; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao. Genesisy 11:6
Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava… mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo. Efesiana 5:8-10
Ny fivoarana ara-kajimirindra dia misy akony eo amin’ny sehatra rehetra eo amin’ny fiainantsika, ary mirimorimo fatratra, hany ka matetika ireo haitao vaovao no efa azo ampiasaina, nefa mbola tsy nisy fotoana akory nahafahana manontany tena ny amin’ny vokatra aterany anatin’ny fotoana lava. Misy, ohatra, ireo fitaovana antsoina hoe „intelligence artificielle générative”, afaka mamokatra lahatsoratra na sary ho valy-na fanontaniana iray. Azon’ny besinimaro ampiasaina maimaimpoana izy ireny ankehitriny ; nanomboka tamin’ny faran’ny taona 2022 izy ireny dia ahafahana mpianatra manoratra ao anatin’ny segondra vitsy taratasim-panadinana manana haavo lenta hahafa-panadinana azy ireo !
Ireo fandroso dingan-dava lehibe dia mahakasika ny tontolon’ny asantsika, fahasalamana, fialamboly, fiainam-pianakaviana. Rehefa mieritreritra ny vokany isika dia mifanindran-dalana ny tsara indrindra sy ny ratsy indrindra… Misy famantarana aretina mazava tsara tsy hain’ny saina noheverina, taona vitsivitsy lasa izao, manjary hay atao ankehitriny, amin’ny alalan’ireo fitaovana vaovao ireo. Miaraka amin’izany koa, misy zatovo tapa-pifandraisana tanteraka amin’ny tontolo tena izy, tafahitsoka ao amina zavamisy an’eritreritra fotsiny, manakana azy ireny tsy hanana fiainana ara-pianakaviana sy ara-pitiavana. Inona no tokony ho fihetsiky ny kristiana ? manoloana ireny fitsimbadihana ireny.
Tsy antsoin’ny Baiboly tsy akory isika hiaina tahaka mpitoka-monina mihataka amin’izao tontolo izao sy ny haitaony, fa handeha tahaka zanaky ny mazava, mikatsaka amin’ny zavatra rehetra „izay ankasitrahin’ny Tompo” (Efesiana 5:10) sy manao „izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra” (Romana 12:17). Ndao àry hametraka ny fanontaniana tandrify, eo amin’ny ny fampiasana ny kajimirindra amin’ny endriny rehetra, ka hipetraka eo anoloan’ny fahazavan’ny Baiboly, fahazavana afaka mitarika antsika amin’izay rehetra safidintsika.