Alakamisy 1 Jolay 2027
Tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala… fa ny ra soan’i Kristy… [ianareo] izay mino an’Andriamanitra amin’ny alalany. 1 Petera 1:18-21
Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho ; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. Isaia 43:1
Nandany fotoana betsaka i Amaury namboatra sary lasitra-na sambo lay. Rehefa vita ilay sambokely dia nandramany teny amoron-dranomasina, nefa nopaohin’ny rivotra tampoka, ka lasa lavitra. Tsy hay notratrarina intsony ilay izy ! Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia akory ny hagagany sy hafaliany, nahita ilay sanganasany tao anaty fitaratra fampirantiana iray : amidy ilay sambokely ! Nilomay i Amaury nankao amin’ilay mpivarotra, mba hitaky ny fananany : — Ahy io sambokely io ! Izaho no namboatra azy, nefa veriko ilay izy ! Azafady tompoko, mba tiako halaina izy io ! — Tsy hay atao izany, hoy ilay mpivarotra. Raha te hahazo azy ianao, dia tsy maintsy mandoa ny vidiny. Novidiko tamin’olona io, ary amidiko indray. Nody tany an-tranony ilay zazalahy, nitady hevitra hahazoany indray ny sambokeliny. Takany fa tsy misy vahaolana hafa, ka naka ny vola tahiriny izy, ary niaraka tamin’ny rainy, nandeha hividy ilay sambokeliny. Rehefa avy nandoa ny vidiny izy, dia lasa nandeha, nihazakazaka, nisakelika ilay harena sarobidiny, ary niantsoantso hoe : „Izaho no namboatra anao, izaho koa no nividy anao ; ka ahy indroa ianao ankehitriny !”
Toy izany koa no nataon’Andriamanitra ho antsika. Izy nahary an’i Adama sy Eva, sanganasany faratampony. Vetivety foana izy ireo dia lavon’ny fakam-panahy. Nanaraka azy ireo ny olona rehetra, „samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23). Nanjary babon’ny ota sy Satana ny olona rehetra. Koa nanefa sarany lafo aoka izany Andriamanitra, mba hanafahany antsika tamin’io fahababoana io, sy hamerenany antsika aminy indray : navotany tamin’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy ireo rehetra mino io sorona io. Manomboka hatreo izy ireo dia indroa an’Andriamanitra : zavaboariny sady voavidiny.