Alarobia 30 Jona 2027
Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha… Lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza, tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. Matio 6:28-29
Ilay vanimpotoanan’ny valanaretina Covid-19, rehefa azo natao indray ny nivoaka ny trano, dia nohararaotiko nitetezana ny ambanivohitra, niaraka tamin’ny vadiko. Hitanay indray ny hakanton’ny voninkazo eny an-tsaha anisan’ireo fantatra indrindra.
Ndao hijanona manoloana io tenin’i Jesosy Kristy io, teny tena manaitra hoe : „Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha”. Iza no ho nieritreritra hampitaha ny voninahitr’i Solomona, ilay mpanjaka lehibe resahin’ny Baiboly, amin’ny hakanto tsotra-na voninkazo maniry betsaka any an-tsaha ? Isika ve mba efa naka fotoana higagana sy handinihana ny voary, vavolombelon’ny halehiben’Andriamanitra ? Ny bika mahafinaritry ny voninkazo, toy ny lisy, ny loko samihafa karazana, dia manosika hitolagaga, toy izany koa ny fifamaliana asa eo amina zavamaniry hafa na biby isan-karazany, sy ny fifandanjan’izy ireny ao amin’ny tontolon’ny manana aina. Araka izany, ao amin’ny zavamaniry dia misy zavatra lehibe kokoa sy sarobidy kokoa amin’Andriamanitra, noho ny voninahitra mpanjaka.
Ireo mpahay aina dia misintona lakolosy fanairana, noho ny zavamaniry sy biby maro karazana efa foana na ringana. Koa ndao hisaintsaina ny halavorarin’izay tian’Andriamanitra hisy sy nomeny hodinihintsika, ao amin’ny fahariana nataony. Tsy mahatakatra feno ny fivoaran’ny aina eto an-tany isika, nefa ndao hahay hanome an’Andriamanitra ny voninahitra sy halehibe tandrify Azy. „Jehovah ô, akory ny halehiben’ny asanao !” (Salamo 92:5).