Talata 29 Jona 2027
Hoy Izy (Andriamanitra) : „Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. Ka dia sahy manao hoe isika : „Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho”. Hebreo 13:5-6
Fehezanteny mampivarahontsana moa izany ! satria mirakitra fangidiana sy famoizampo, manoloana toejavatra efa nentina am-bavaka fatratra, nitalahoana mafy, nefa ahatsapana fangirifiriana satria toa tsy nahazoana valiny !
Nefa miverina indroa ao amin’ny Baiboly io andalan-tSoratra Masina androany io, ary hamafisina lahatsoratra maro ao. Ireo andininy ireo dia milaza fahazoana antoka tsy mety levona, hoe tia antsika Andriamanitra ary mitana ny teny fampanantenany, nefa tsy tokony hanakona izay ambaran’Andriamanitra antsika ihany koa hoe : „Ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako” (Isaia 55:8). Indraindray ny faniriantsika dia mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary tena matetika isika no manao zavatra nefa tsy manontany Azy akory hoe ny vinavinantsika ve dia ireo izay nomaniny ho antsika… izany hoe ireo ve no tsara indrindra !
Tsy afaka eritreretina ny hoe nafoin’Andriamanitra, ho an’izay mahafantatra ny fanomezana nomeny antsika ao amin’i Jesosy Kristy, mbamin’ny famelany izay rehetra fahadisoantsika, ary ny fifaliana ateraka fifandraisana feno fitokiana aminy. Tian’Andriamanitra amina fitiavana tsy anoharana isika. Ilay hany nafoiny dia … Jesosy Kristy, teo amin’ny hazofijaliana, noho ny amintsika. Izy tsy hahafoy antsika na oviana na oviana.
Koa „matoky ny famindrampon’Andriamanitra mandrakizay doria aho” (Salamo 52:8). Ny lalana izorako dia izay ataon’Andriamanitra eo anoloako, lalana misy fifaliana sy fahoriana, ary anjarako ny mandeha amin’izany am-piadanana. Tsy ampy ho amin’izany ny heriko manokana, mety ho votsa ny famindrako, ho osa ny sandriko, ary mety hahazo ahy ny hakiviana ; nefa mitoetra ato am-poko ny teniny hoe : „Izaho tsy … hahafoy anao akory”.