Alatsinainy 28 Jona 2027

(Hoy Jesosy :) Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. Jaona 12:32

Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena, sy ny olona, ary ny samihafa fiteny, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry. Apokalypsy 7:9

 

Ianao koa ve mino an’i Jesosy ?

Nilalao teo amin’ny antontam-pasika teo amin’ny zaridaim-bahoaka ny zanakovavy efa-taona. Nisy vehivavy sinoa efa zokiolona niandry ny zafikeliny koa teo. Nanontanian’ilay zanako azy ny anarany sy ny fiaviany —ary avy eo koa, hoe mino an’i Jesosy ve izy. „Ahoana tsara hoe e ?” hoy ilay vehivavy namaly. Naverin’ny zanako ilay fanontaniana : „Mino an’i Jesosy ve ianao ?”

Sadaikatra aho, nanazava fa kristiana izahay, ka tian’ny zanako ny manontany izay olona mifanena aminy, raha mino an’i Jesosy izy ireny. „Hay ve, manontany ahy ianao raha mino an’i Jesosy aho ? hoy ilay renibe sinoa. Ie ! mino Azy aho ! Izany no zava-dehibe indrindra eto an-tany ! Tena faly aho fa mino an’i Jesosy koa ianao !” Tamin’ny nahita io vehivavy sinoa zokiolona io aho, dia nihevitra fa tsy afaka ho kristiana izy. Izy koa, andaniny, nihevitra toy izany, nahita tanora vavikely anglisy.

Hatrany am-boalohany dia efa natao ho an’ny olona rehetra ny Filazantsara. Jesosy tsy niraharaha izay sakana ara-kolontsaina na ara-pirazanana. Izy dia niresaka Samaritana iray tamin’ilay mpivavaka jiosy nanontany Azy hoe iza moa no namany (Lioka 10:29-37), nefa ny Samaritana sy ny Jiosy dia tsy nifandray firy. Fony voalohany nanambara ny Filazantsara ny apostoly Petera, dia olona avy amina firenena samihafa ireo izay nahare azy : Iran, Irak, Torkia, Egypta, Libia, Grisia, Kreta, Arabia, Roma… (Asan’ny Apostoly 2:9-11).

(araka an’i Rebecca McL.)

Toy ny isehoan’ny voninahitr’Ilay Andriamanitra Mpahary eo amin’ny fahasamihafana ao amin’ny voary, ao amin’ireo voninkazo, biby, taza-maso, lanitra, … ny fahasoavan’Ilay Andriamanitra Mpamonjy dia nanjary hita maso eo amin’ny hamaron’ny kristiana, avy amin’ny firenena rehetra, ny sokajim-piarahamonina rehetra, ny vanimpotoana samihafa, miara-mijoro ho vavolombelon’ny maha maneran-tany „ny fahasoavana maro samihafa izay an’Andriamanitra” (1 Petera 4:10) ao amin’i Jesosy.