Alahady 27 Jona 2027

(Hoy Jesosy :) Izaho milaza aminao koa : Ianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako ; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsy hita tsy haharesy azy. Matio 16:18

Izy (Kristy) no Lohan’ny tena, dia ny fiangonana ; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ny maty. Kolosiana 1:18

 

Ny fiangonako ve ?

Rehefa mampiasa ny fiteny hoe „ny fiangonako” isika, dia tsy mahatsapa akory hoe milaza azy ho fananan’ny tena, manadino fa ny Fiangonana anie ka an’ny Tompo Jesosy. Tsy niteny tamin’i Petera mpianany ve Izy hoe : „Haoriko ny Fiangonako” ?

Ny fiteny hoe „fiangonako”, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia Jesosy irery ihany no nampiasa azy. Ny teny grika nadika hoe „fiangonana” anefa dia ampiasaina ao mihoatra ny injato, ary ny hoe „Fiangonan’i Kristy” na „Fiangonan’Andriamanitra” dia miverimberina matetika.

Ny Fiangonana dia an’ny Tompo, nitia azy Izy ka nanolotra ny ainy hamonjy azy ; ny Fiangonana dia „tenany”. Ny kristiana tsirairay dia rantsambatan’io tena io, ary Jesosy no lohan’izy ireo mitambatra. Eo anivon’ny fifandraisan’ny mpino tsirairay aminy Izy, nefa miteny amintsika ihany koa hoe : „Na aiza na aiza iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18:20). Toejavatra mahatalanjona izany, ary mbola afaka iainana ankehitriny : eo amin’izay misy ny Kristy ho ivo, na dia olona roa na telo fotsiny aza no eo, dia eo ny fiangonany (Efesiana 5:25 ; 1 Korintiana 12:27 ; Kolosiana 1:18).

Noho izany dia ny fifandraisako manokana, tena misy, amin’ny Kristy nitsangana velona indray, no maha sela velona hetsehin’ny Fanahy Masina ahy, ary mampifandray ahy amin’ilay tena tokan’ny Kristy, dia ny Fiangonana.

Koa ny kristiana tsirairay izany, na inona na inona fiaviany, dia anisan’ny Fiangonana ary mandray anjara amin’ny fiainany, nanomboka tamin’ny fotoana ninoany ny Kristy ka nananany io fifandraisana velona aminy io. Amin’izay dia ilaina izy hampitombo ao amin’ny finoana sy hampionona ny rahalahy sy anabaviny ao amin’ny Kristy.