Asabotsy 26 Jona 2027
Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo… Ary nasehon’i Jehovah azy ny tany … rehetra … Dia hoy Jehovah taminy : Io no tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe : Homeko ny taranakao izy ; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao. Deoteronomia 34:1-4
Fahizany ny seranan-tsambo dia matetika nanome aingam-panahy ho an’ny mpanao tononkalo sy mpanao hosodoko. Ny filazalazana ireo sambo miala ny morom-piantsonana ary manalavitra tsikelikely mankany amin’ny faravodilanitra dia nahafahana manoratra fihetseham-po isan-karazany. Mandao antsika ny sambo, fa ny morom-piantsonana kosa dia mijanona eo, vavolombelon’ny nofinofintsika, ratrampontsika, fanantenantsika…
Afaka lazaina hoe, ho an’i Mosesy, olona malaza ao amin’ny Baiboly, ny tendrombohitra Nebo dia karazana „morom-piantsonana”. Avy eny antampony, teo akaikin’ny tany Kanana, dia afaka nahatazana ny Tany nampanantenaina i Mosesy. Nasehon’Andriamanitra azy io tany nomanina ho an’ny vahoakany io, fa izy kosa tsy navelany hiditra ao. Mety nahadiso fanantenana azy izany ! Na izany aza anefa dia niainany ny zavatra manan-danja, dia ny fampiononana lehibe avy amin’Andriamanitra : „Io no tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe : Homeko ny taranakao izy” (Teny androany). Taoriana kelin’izany i Mosesy dia niditra tany amina tany tsara lavitra noho Kanana, dia tao amin’ny fanatrehan’Andriamanitra mihitsy.
Eo amin’ny fiainana, indraindray isika dia eo amina „morom-piantsonana”, mahita ireo fanantenantsika mihalevona sy ireo nofinofintsika manjavona. Tena nanantena zavatra iray isika, nefa tonga saina fa tsy ho tanteraka izany. Ny ahina amin’izany dia ny anekentsika ho rakotra onjan’alahelo, na famoizampo mihitsy aza… Raha tsy hoe mitodika amin’Andriamanitra isika, aminy Izay te hampionona sy hanarina antsika, te hanome antsika fijery vaovao ny toejavamisy. Ndao hianatra mamantatra Azy ho Ilay fiononantsika faratampony ! Satria ao ambadik’izay rehetra faniriantsika, tsy Andriamanitra mihitsy ve no tena hetahetantsika lalina indrindra ?