Zoma 25 Jona 2027
Avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra… Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao… Izao no fitiavana : … ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. 1 Jaona 4:7-10
„Miandry avy amin’Andriamanitra porofon’ny fisiany isika, nefa Izy tsy manome antsika afa-tsy porofon’ny fitiavany”. Io fehezantenin’i Gilbert Cesbron (1913-1979) io dia mifandraika amina teny-na mpanoratra frantsay iray hafa, Ernest Renan (1823-1892) izay nanao hoe : „Andriamanitra dia tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’ny fo”.
Andriamanitra dia tsy lohahevitra afaka iadiantsika hevitra sy faritana amin’ny saina. Izy dia fitiavana, koa amin’ny fo ihany no ahafahantsika mahafantatra Azy marina. Rehefa mankafy mijery ny hakanton’ny voary isika, ny fandrindrana lavorary izao tontolo rehetra izao, ary ny fifandanjan’ny toejava-mitranga voajanahary, dia mahatakatra, noho ny fahiratan-tsaina nomeny antsika, zavatra momba ny halehibeny, „ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy” (Romana 1:20). Io fahariana io dia miresaka amintsika sahady koa ny fitiavany, satria novolavolainy tamin’ny fomba mahatalanjona mba ho afaka mandray ny olona.
Nefa ny fon’Andriamanitra dia tsy afaka nitsahatra tao amin’io fahariana io, niaraka tamin’ny otan’ny olona. Tsy maintsy nila fomba hafa ho amin’izany Izy, ka nasehon’Andriamanitra ny fitiavany tamin’ny nanirahany ny Zanany ho etỳ amin’ny olona. Tonga Jesosy mba hampahafantatra ny fahasoavana tao anatin’ny fon’ny Rainy, nefa dia nohomboan’ny olona teo amin’ny hazofijaliana.
Mbola nandeha lavitra kokoa ny fitiavan’Andriamanitra ; ny sorona nataon’ny Zanany no lalana anolorany ny famelan-keloka amin’ireo rehetra mitodika aminy. Ny fitiavany dia afaka nirotsaka an-kalalahana, satria efa voafafa tamin’ny ra latsaka teo amin’ny hazofijaliana ny ota. Fantatsika manokana ve Ilay Andriamanitra fitiavana ? Sokafy aminy ny fontsika, mba hananantsika fifandraisana velona aminy.