Alakamisy 24 Jona 2027
Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko ; eny, any amin’ny tany rehetra no ielezan’ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy. Ezekiela 34:6
(Hoy Jesosy :) Izaho no Mpiandry Tsara ; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy, hamonjy ny ondry. Jaona 10:11
Ny mpaminany Ezekiela dia nampita hafatra hentitra tamin’ireo mpiandry ondry ratsy fanahy : noteneniny mafy ireo mpiandraikitra ara-pivavahana, izay tsy nikarakara tsara ny „ondry”, izany hoe ny vahoaka nankinina tamin’izy ireo mba hokarakarainy anefa. Amin’izao androntsika izao, isika ihany koa dia mety ho kinga mitsikera ireo izay mikarakara manokana ny ondry ao amin’ny „andian’ondry” kristiana. Nefa ve isika rehetra tsy samy voakasik’io antson’ny mpaminany io ? Misy eo anilantsika, ao amin’ny fianakaviantsika, eo amin’ny manodidina antsika, olona „manjenjeny” sy „miely”, mijaly, izay very soridalana angamba. Mba „nitady” azy ireny ve isika ? Mba nanontany vaovao momba azy ireny ? Sa dia nijanona nangina, nihatakataka, satria be herehina loatra, na tsy rototra fotsiny tsotra izao amin’izay iainan’izy ireny ?
Mampiseho ohatra amintsika Jesosy, milaza fanoharana iray : „Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an’efitra ka mandeha hitady ilay very, mandra-pahitany azy ?” (Lioka 15:4). Ny ondry nania dia tsy afaka mahita ny lalany na mamonjy ny tenany. Jesosy no Ilay Mpiandry Tsara, tonga hatramin’ny nanolorany ny ainy mba hamonjy ireo ondriny, izany hoe isika tsirairay, izay very lavitra an’Andriamanitra. Ary mbola Izy io Mpiandry ondry mamerina aminy ireo kristiana nanalavitra io.
Eny, Jesosy no Ilay Mpiandry ondry mamonjy, miaro, mampionona. Ary tiany hanaraka ny diany isika, ho mpiandry ondry mitondra eo aminy ireo izay tsy mahalala Azy, eo amin’ny manodidina antsika, na ireo mila fikarakarana, fanampiana, na fampaherezana.