Alarobia 23 Jona 2027

(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Matio 24:35

Sambatra ny olona izay … ny lalànan’i Jehovah no sitrany ; eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina. Salamo 1:1-2

 

Ny fisaintsainana lalina kristiana (2)

Mba hiainana ny fanatrehan’Andriamanitra

Ny hoe misaintsaina lalina dia midika hoe mieritreritra lalina, „mandinika” ny Tenin’Andriamanitra, toy ny ataon’ny omby mandinika ny haniny. Ny fisaintsainana lalina ara-Baiboly dia mitaky ny hamakiana ny Baiboly sy hahatakarana ny heviny (Asan’ny Apostoly 8:30). Ity misy fomba tsotra, afaka arahinao mba hisaintsainana lalina :

Angataho ny Tompo Jesosy hampahazava anao, sy hanome anao ny fahendrena ilaina mba hahatakaranao ny Teniny. Vakio —amin’ny feo mafy, raha afaka atao- ny teny nosafidinao. Aza misalasala, mamerimberina miadana izany, imbetsaka. Tsipiho izay andinin-tSoratra Masina (iray na maro) misy akony manokana ao aminao, ary tadidio mba handinihanao azy (ireo) mandritra ny tontolo andro ; mety ho teny nolazain’Andriamanitra i(re)o, na zava-nitranga, na olona nanohina anao. Mametraha fanontaniana amin’ny tenanao : inona no tian’ny Tompo holazaina ahy manokana ? inona ny zavatra nianarako momba Azy ? momba ny sitrapony ? tao amin’io teny io ; ahoana no hampiharana ny Teniny ?

Ny fisaintsainana lalina ara-Baiboly, atao tsy tapaka, dia hahafahantsika miaina, amin’ny andavanandrontsika, ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny fiombonana amin’ny Tompo Jesosy. Taomin’izany fisaintsainana izany isika hitadidy ireo teniny, mba hitoetra ao anatintsika ireo (Jaona 15:7). Dia Izy mihitsy no hitoetra sy hiasa ao anatintsika (15:4). Ny fisaintsainana lalina dia mampifahatra antsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, Teny izay tsy mba ho levona (andinin-tSoratra Masina androany). Amin’izany isika dia ho voatafy fiadiana hiatrehantsika ireo [lazain’ny tsy mino, hoe] kisendrasendra, sy ireo fitsapana eo amin’ny fiainana. Farany, araka ny filazan’ny mpanao ny Salamo 1, dia mahasambatra antsika izany ! Koa nahoana àry no tsy hatao ?

araka an’i Alienor S. (tapitra)