Talata 22 Jona 2027
Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna (lalànan’Andriamanitra) ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo. Josoa 1:8
Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko. Jeremia 15:16
Roapolo taona teo ho eo izao no nanjary niroborobo fatratra maneran-tany ny fisaintsainana lalina. Izany dia mifanaraka amina filana hahita indray fiadanampo anaty, mba hanalana ny fikorontanan-tsaina noho ny zavatra mihatra amin’ny tena. Maro ny milaza ho manao fisaintsainana lalina, mba hifandraisany amin’ny tenany.
Hafa tanteraka noho izany ny fisaintsainana lalina kristiana. Tsy fifantohana amin’ny fihevitry ny tena, fa fitoerana eo anatrehan’Andriamanitra, fieritreretana ny maha Izy Azy sy izay nataony. Amin’izay ny Baiboly no ivo, satria io no Tenin’Andriamanitra. Ny Baiboly dia miresaka amintsika an’i Jesosy Kristy, Ilay Andriamanitra tonga olona, Ilay fanambarana feno an’Andriamanitra. Noho izany, na oviana na oviana ny fisaintsainana lalina kristiana dia tsy manondro ny tenantsika ho tanjona, fa mampitodika antsika mandrakariva amin’i Jesosy.
Ny Filazantsara dia manome antsika ny ohatra asehon’olona iray nisaintsaina lalina. Nisy mpiandry ondry maromaro, nampahafantarin’anjely iray ny nahaterahan’i Jesosy, ka tonga namangy Azy ary nitantara izay nambara azy ireo momba Azy. Maria reniny dia „nitadidy izany teny rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony” (Lioka 2:19). Tatỳ aoriana izy dia nitahiry ny tenin’i Jesosy tao am-pony (Lioka 2:51). Toa an’i Maria, ndao hitandrina mba hitadidy ireo teny sy asan’ny Kristy, mba handraikitra ireny ao am-pontsika sy hampihatra ireny eo amin’ny fiainantsika. Izany dia hanampy antsika hanahaka Azy betsaka kokoa sy hiresaka Azy amin’ny manodidina antsika. Ny fisaintsainana lalina kristiana dia manokatra antsika amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa.
(hitohy)