Alatsinainy 21 Jona 2027

Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao ! Habakoka 1:2

Fa ny marina ho velon’ny finoany. Habakoka 2:4

 

Fa aiza Ianao, Andriamanitra ô ?

„Fony tetỳ an-tany Jesosy dia nanasitrana ny marary, ary nanangana olona maty ho velona indray aza. Ankehitriny anefa aho dia mahatsiaro tena ho irery manoloana ireo olako, ny aretiko, ireo fanontaniako. Toa tsy mamaly Andriamanitra.

Satria aho niaina ireo toejavatra mampangirifiry ireo, dia afaka manamarina fa mbola manan-kery hatrany ny fampanantenan’i Jesosy fony Izy handao ny tany, hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Rehefa nifamahofaho ireo eritreritro, rehefa nitsimoka tao am-poko ny fisalasalana, dia nolazaiko an’Andriamanitra ny fijaliako rehetra. Mihaino Jesosy, henony ny famoizampo, ny tebiteby. Jereny ny fangirifiriana tsirairay, fantany izay rehetra ilaiko ara-batana, ara-panahy, na ara-pitiavana. Fantany ny zavatra rehetra, ary omeny valiny tandrify tsara. Efa namaly izany Izy, tamin’ny nanomezany ahy ny fiadanany, fiadanana lalina, fitoniana anaty tena izy. Salamo maro no mampahatsiaro io eritreritra io, ary tena mampahery ny mamaky azy ireo, rehefa mahatsapa tena ho voa mafy. Manampy ahy Andriamanitra hahitako ny zavamisy, ny olona akaiky ahy, amin’ny fijeriny sy ny fahatsinjovany. Angatahiny aho mba hanana fijerim-pinoana, izay mandroaka ny fisalasalana sy ny tahotra.

Tsy haiko hazavaina ny zavatra rehetra mitranga amiko, nefa tsy maninona izany. Manaiky hoentiny eny an-tsandriny feno fitiavana aho, satria mahafantatra fa eo anilako Izy, amin’ny zavatra isanisany mitranga. Ary afaka matoky Azy tanteraka aho. Eny, tia ahy tsy misy fetra Jesosy. Ireny zavatra niainako ireny dia mahatonga ahy hankafy ny Teny hoe : „Ao amin’Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery ; Izy no manana hevitra sy fahalalana” (Joba 12:13).”

E.W.