Alahady 20 Jona 2027

Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

Tsarovy Jesosy Kristy, Izay natsangana tamin’ny maty. 2 Timoty 2:8

 

Tsarovy Jesosy

Saintsaino, ry fanahiko, ary tsarovy Izay nataon’i Jesosy Mba hahasambatra anao, mba ho famonjena anao, Tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana.

 

Ho afaka hadinonao ve Izay nefainy ho anao ? Izay rehetra niaretan’ny fanahiny Mba hitondrany ny fahotanao.

 

Tsarovy Getsemane, Ny tebiteby noho ny ady, Jesosy niakatra ho any Gologota, Nilaozan’ny olona rehetra.

 

Saintsaino sy hevero ny fanaintainany Rehefa maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, nanolotra ny ainy ho anao Teo anelanelana jiolahy roa.

 

Eny, hotsarovako mandrakizay Jesosy, Ilay Mpamonjiko ; Te hihira amin’ny foko manontolo Ny voninahiny sy ny fitiavany aho.
(Hymnes et Cantiques — Fanontana 2022, laharana 54)