Asabotsy 19 Jona 2027

Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo, araka ny harenany amin’ny voninahitra, ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 4:19

(Hoy Jesosy :) Fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo. Matio 6:8

 

Tsy mamaly ny haitraitrantsika Andriamanitra

Ireo fampanantenana ambaran’ny andinin-tSoratra Masina androany dia miaraka amintsika isanandro : te hanome izay rehetra ilaintsika Andriamanitra, na ara-batana izany, na ara-pitiavana, na ara-panahy. Nefa isika dia tokony hieritreritra an-kitsimpo sy am-pahamarinana ihany koa izay tena ilaintsika, mba hanalavirana tsy ho ao an-tsaintsika izay mety ho fitsiriritana na faniriana feno fitiavantena fotsiny ihany, hanembantsembana ny fiainana maha kristiana antsika. Andriamanitra dia manome antsika izay tsara ho antsika, ary tsy manome izay tsy mahasoa na ratsy. Isika ve tsy mba nisaotra Azy mihitsy, tamin’ny fahendreny sy fahatsaram-pony tsy nanome antsika izay mety ho nirintsika fatratra anefa ? Inona no lazain’ny Baiboly antsika ?

„Koa raha ianareo… aza, mahalala hanome zavatsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zavatsoa ho an’izay mangataka aminy ?” (Matio 7:11).

„Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. Ary izay ta hanankarena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana, ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be” (1 Timoty 6:6-10).

Ary raha manankarena isika, dia hevero ny hanome sy hizara izay nomen’Andriamanitra antsika.