Zoma 18 Jona 2027
(Hoy Jesosy :) Ho vavolombeloko (ianareo) … hatramin’ny faran’ny tany. Asan’ny Apostoly 1:8
Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hebreo 13:8
Angamba ianao efa nahatsikaritra sary-na trondro mipetaka eo amina vodim-piarakodia. Amin’ny ankapobeny dia ampiasaina izy io ho mariky ny maha kristiana.
Amin’ny teny grika tranainy, ny teny hoe trondro dia soratana hoe ICHTHUS. Io dia „teny miafina” nampiasain’ny kristiana niharan’ny fanenjehan’ny fanjakana romana, tamin’ny taonjato voalohany taorianan’ny nahaterahan’ny Kristy. Nampiasain’izy ireo ho sariohatra izy io. Ny litera tsirairay dia fiandohana teny : ny I dia Iesous, Jesosy. Ny CH dia Christos, Kristy. Ny TH dia THéou, an’Andriamanitra. Ny U dia Uios, Zanaka. Ny S dia Sôter, Mpamonjy. Ny ICHTHUS izany dia midika hoe Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, Mpamonjy. Nampiasa io teny io ny olona nanaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny, mba hifankahafantaran’izy samy izy.
Famantarana ihany io sary-na trondro io. Nefa rehefa mahita azy io eny amina fiara isika, dia ndao hahatsiaro fa 2000 taona mahery lasa izao, Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga tetỳ an-tany, satria nila Mpamonjy isika. Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, nisolo toerana antsika, niaritra ny fanamelohana sahaza ny fahotantsika. Tahaka ireo kristiana voalohany, isika dia afaka mandray io tanana mitsotra io, mba ho voavela heloka. „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).
Raha efa mahafantatra an’i Jesosy isika, dia aza manadino fa nangatahiny isika mba hanambara ny fitiavany antsika. Ary na tsy manana fiara misy sary-na trondro aza isika, dia aza matahotra hampiseho hoe Iza no Mpamonjintsika !