Alakamisy 17 Jona 2027
… hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina, sady mafy no tsy mihetsika. Hebreo 6:18-19
… amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay, izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, hatry ny fony fahagola. Titosy 1:2
Jesosy fanantenantsika. 1 Timoty 1:1
Ny vatofantsika dia natao tsy hampihetsika ny sambo sy hisoroka izay mety ho fahavoazany. Io fonjamby mavesatra io dia alatsaky ny tantsambo any ivelan’ny sambo, mba hanakana azy tsy hiala teo amin’ny toerany, sy hampifahatra azy amin’ny fanambanin’ny ranomasina.
Hita imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny sary-na sambo miroso eny amina ranomasina manonja be : izany dia milaza amintsika ny fiainantsika, ao anaty tontolo sarotra, fiainana misy fitsapana, fisalasalana, alahelo, tebiteby. Mikatsaka ny „hamikitra” amina zavatra mafy isika, amina fahazoana antoka, amina marika, manandrana hanana vatofantsika mihazona tsara. Nefa tsy misy na inona na inona mba mafy na tsy miova, ary mamotsotra tsirairay ny vatofantsika…
Andriamanitra anefa dia manolotra antsika fiantsonana azo antoka tanteraka : ny fanantenana kristiana ! Inona moa izany ? Amin’ny fiteny andavanandro, ny teny hoe „fanantenana” dia milaza zavatra tiana ho azo nefa tsy azo antoka. Ao amin’ny Baiboly, ny fanantenana dia zavatra tena azo antoka, avy amin’Ilay Andriamanitra „tsy mahay mandainga”.
Io fanantenana io dia Jesosy Kristy tenany mihitsy, maty nefa nitsangana velona indray, ary niditra any an-danitra rehefa avy niaritra teo amin’ny hazofijaliana ny fanasaziana ireo fahotantsika. Nampanantena ho avy tsy ho ela Izy, haka antsika hiaraka aminy. Any an-danitra Izy izao, te hanana antsika miaraka aminy, ary efa nanao izay rehetra tokony natao, mba hahatanteraka izany. Ny hoe „mandatsaka ny vatofantsika” dia ny manaiky sy mino izay nataon’i Jesosy Kristy ho antsika tsirairay avy. Izany ka fahazoana antoka ! vatofantsika mafy ho an’ny fontsika, tsy nalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina tsy akory, fa fahazoana antoka hankany an-danitra, mampifamatotra mafy antsika amin’Ilay tia antsika, dia amin’Ilay mikarakara antsika isanandro, ary ho tonga haka antsika.