Alarobia 16 Jona 2027

Avy taiza ianao ? ary hankaiza ? Genesisy 16:8

Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Isaia 48:17

 

Manana lalana izorany ve ny fiainantsika ?

Io fanontaniana io dia afaka takarina amina heviny roa, izay mitovy lanja.

Ny voalohany dia hoe : Mizotra mankaiza ny fiainako ? Inona ny dikany ? ny tanjony ? Fitodiana aiza no izoran’ny sambokeliko ? Nefa ve mba fitodiana akory ? Ary raha toa moa ka harambato miandry ny haharendrika ahy ? Adala izay mpandeha manohy ny lalany, nefa tsy mahazo an-tsaina kely akory izay toerana hitodiany ! Nefa dia izany no fihetsiky ny ankamaroan’ny olona. Mieke fa mifanohitra amin’izay rehetra mety ho fahendrena izany.

Ny heviny faharoa dia hoe : iza no mitondra ny fiainako ? Angamba isika toa an’i William Henley tsy mino, mpanoratra anglisy tamin’ny taonjato faha-19, miteny hoe : „Izaho no tompon’ny hiafarako, kapitenin’ny fanahiko”. Dia misy fanontaniana hafa mipetraka àry, hoe : Kapiteny tsara ve aho ? mahafehy ny ataoko sy fihetsiko, hendry amin’ny fanapahan-kevitra raisiko, malina amin’ny vinavina ataoko. Sa baikoin’ny firehetampoko, fitiavantenako, avonavoko ? Manaja ny lalànan’Andriamanitra ve aho ?

Afaka mamaly ireo fanontaniana ireo ny kristiana, hoe : Jesosy no tanjoko, Jesosy no Tompoko. Fantatry ny mpino ny lalan-kalehany, fantany hoe iza no nametrahany ny fitantanana ny fiainany. Ry sakaiza malala, iza no mitondra ny fiainanao ? Ary mizotra mankaiza ?

Afaka mangataka amin’Andriamanitra isika, toy ireo mpanao salamo, hoe : „Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô ; ary tariho” (Salamo 27:11). „Velomy aho araka ny teninao” (Salamo 119:25). Dia hamaly antsika Izy hoe : „Làlam-pahendrena no atoroko anao : eny, mitarika anao amin’ny làlana mahitsy aho” (Ohabolana 4:11).