Talata 15 Jona 2027

Simona Petera namaly Azy (Jesosy) hoe : Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68

Fa amin’ny famindrampo mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah. Isaia 54:8

 

Teny vitsivitsy ho fampaherezana

Ry kristiana namana, ianao ve matahotra, kivy, malahelo, tezitra, na alaim-panahy hiforitra anatin’ny tenanao ? Indreto teny vitsivitsy ao amin’ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra, mba tianay hozaraina aminao.

„Mankanesa atỳ amiko (hoy Jesosy) ianareo… Ento ny ziogako, ka mianara amiko ; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho ; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo” (Matio 11:28-29).

„Amin’ny fanginana sy ny fatokiana no hisian’ny herinareo” (Isaia 30:15).

(Hoy Jesosy :) „Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).

„Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo ; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy” (Matio 6:34).

„Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo” (1 Petera 5:7).

„Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra… hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:6-7).