Alatsinainy 14 Jona 2027
Fa hoy Jesosy taminy : Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika, ka mendrika ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Lioka 9:62
(Hoy Jesosy :) Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Jaona 6:37
„Nobeazina tao amin’ny fivavahana silamo aho, ary hatramin’ny taona 2021 dia tsy nisalasala ny amin’ny hoe raha toa ka tsy maintsy mino an’Andriamanitra, dia amin’ny alalan’ny fivavahana silamo ihany, fa tsy amina fivavahana hafa. Ara-tsaina, indrindra indrindra, ny finoako. Efa nandalo fotoana fahamainana tanteraka ara-panahy aho. Nirenireny tany amina lalana maro aho, nihevitra hoe mikaroka ny tenako, ary tsy nahita hoe misy olana iray hafa. Io dia ny fahalalana hoe iza moa Andriamanitra, amiko, inona no anjara asany eo amin’ny fiainako, ary iza aho eo anatrehany : fanontaniana tsy nahazoako valiny tamin’ny fivavahana silamo.
Nandalo fitsapana tena sarotra aho, no nitsimbadika ny fiainako. Nandà an’Andriamanitra aho tamin’izany fotoana izany, niampanga Azy ho fototry ny fahangirifiriako. Indray andro tanaty famoizampo lalina aho dia niditra tao amina fiangonana iray. Nibanjina hazofijaliana iray aho, tsy nahita na inona na inona, nefa nahare. Tahaka ny hoe misy olona iray niresaka tamiko, dia nahatsapa aho fa notaomin’i Jesosy hametraka aminy ny enta-mavesatro rehetra : „Tsy voatery hitondra izany ianao”. Raha tsy tonga namonjy ahy Jesosy, ny ho niafarako dia hoe very ny finoako an’Andriamanitra.
Avy eo aho dia tsy maintsy niatrika fitsapana indray, avy amin’ny faneriteren’ny fianakaviako ahy. Dia mbola tonga indray Jesosy nitady ahy. Tojo ity teniny ity aho : „Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika, ka mendrika ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Lioka 9:62). Tsy nanapaka ny fifandraisany tamiko ny ray aman-dreniko, ary mivavaka ho azy ireo isanandro aho. Faly aho mifampizara ny finoako amin’ireo namako kristiana. Ny filazantsara tiako indrindra dia ny nosoratan’i Jaona. Hitako hoe tena mampisaintsaina fatratra ny hakantony.”
Inès