Alahady 13 Jona 2027
Fa ny Tompon’ny aina kosa no novonoinareo. Asan’ny Apostoly 3:15
Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy. Galatiana 3:13
Izay tsy nahalala ota dia efa nataony (nataon’Andriamanitra) ota hamonjy antsika. 2 Korintiana 5:21
Ireo zavatra faratampony teo amin’ny hazofijaliana
Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy nandritra ny adiny enina. Niaretany manontolo ny haratsiana sy halozan’ny olona, nandritra ny ora telo voalohany. Fa nandritra ny ora telo farany kosa dia nilentika tanaty haizim-pito ny tany, ary nafenina tsy ho hitan’ny olombelona Jesosy. Nandritra ireo ora tsy manam-paharoa ireo, ora telo misy lanjany tsy hita fetra, Andriamanitra dia nandravona ny olana nateraky ny ota. Momba ireo ora ireo dia mampiasa fiteny tena mafonja ny Tenin’Andriamanitra :
- Jesosy no „Ilay Mazava”, toetra maha Andriamanitra Azy (Jaona 1:1-9), nefa dia „notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ny maizina, fa tsy ho amin’ny mazava” (Fitomaniana 3:2).
- Jesosy no „Ilay Marina” (Asan’ny Apostoly 22:14), nefa dia „natao ho isan’ny mpanota (anisan’ny tsy marina)” (Lioka 22:37).
- Jesosy no „Tompon’ny aina”, loharano sy niandohan’ny aina rehetra, nefa dia napetraka tao „amin’ny vovoky ny fahafatesana” (Salamo 22:15), „mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra” (Hebreo 2:9).
- Jesosy dia „ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay” (Romana 9:5), nefa dia „tonga voaozona” mba hanafaka antsika amin’ny ozona notononin’ny Lalàna ho amintsika rehetra.
- Tsy nanota akory Izy, masina sy tsy mba misy ota ao aminy (1 Petera 2:22 ; 1 Jaona 3:5). Notsaraina noho ireo fahotantsika Izy, toy ny hoe Izy no nanao ireo. Nefa mbola ambonin’izany aza, Izy dia „nataony (nataon’Andriamanitra) ota hamonjy antsika”. Teo Izy dia nataon’Andriamanitra toy ny anaovan’Ilay Andriamanitra masina ny ota (Romana 8:3).
Fitiavana toa inona moa no nanetsika an’i Jesosy ! ka nahatonga Azy hatramina zavatra faratampony toy izany.
Tao amin’ny henatra no namirapiratan’ny voninahitrao, teo amin’ny hazofijaliana.
Anao, ry Jesosy, ny fandresena, teo amin’ny hazofijaliana.