Asabotsy 12 Jona 2027

Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny, ka hikambana amin’ny vadiny ; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa… Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona. Matio 19:5-6

Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana, ka nanolorany ny tenany hamonjy azy. Efesiana 5:25

 

Ny fanambadiana : ilay lalana nomanin’Andriamanitra

Tamin’ny nahariana izao tontolo izao, any am-paran’ny toko voalohany ao amin’ny Baiboly dia hitan’Andriamanitra fa „tsara indrindra” izay rehetra nataony, singanina manokana ny nahariany ny olombelona ho lahy sy vavy. Ny toko faharoa dia manampy fanazavana hoe : „Tsy tsara raha irery ralehilahy ; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy” (Genesisy 2:18). Irery i Adama, ka nirin’Andriamanitra ny hananany olona mifanatrika aminy, hizarany ireo eritreritra sy fihetseham-pony. Dia nofaranany ho lavorary tanteraka ny asany, tamin’ny namoronany ny vehivavy, ho ilay vady afaka mamaly ny filana anaty sy lalin’i Adama : izy no ho ilay tena sahaza azy. Araka izany, ny vehivavy dia mifanaraka tsara amin’ny vadiny, eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-pihetseham-po, ary ara-batana. Mikambana ho iray izy roa, ary mifameno sady samy hafa.

Io fanambadiana voalohany io dia asa lehibe sy mahatalanjona, mamaly ireo filana fototra eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy : ny fifanampiana, ny fiombonana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po, ary koa ny firaisana ara-nofo. Andriamanitra dia nanomana ny fanambadiana ho sehatra voaro sy ho an’ny mpivady irery, mba hiainany feno ireo fifandraisana ireo. Ny fanoloran-tena sy ny fifanajan’ny mpivady dia antoka ahafahana lehilahy sy vehivavy mifampikarakara, mifankatia maharitra sy mafy, manorina ankohonana.

Takin’Andriamanitra ny hanajana io fanoloran-tena io. Ary mba hampisehoany ny maha zava-dehibe aminy ny fanambadiana, dia nataony kisarisarin’ny fitiavan’i Jesosy ny Fiangonany ny fanambadiana. Io fitiavana io no nahatonga an’i Jesosy hanolotra ny ainy hamonjy azy (Teny androany).