Zoma 11 Jona 2027

(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Lioka 21:33

Fa Izaho Jehovah dia tsy miova. Malakia 3:6

 

Tsy miova ny Tenin’Andriamanitra

Ny Baiboly dia matetika manantitra hoe tsy miova Andriamanitra : iray amin’ny anarany rahateo moa ny hoe „Tsy miova Aho” (Hebreo 13:8 ; Isaia 48:12). Ny tsy fiovan’Andriamanitra sy ny Teniny dia andry iankinan’ny mpino, ahafahany mahafantatra tsara kokoa an’Andriamanitra sy mitoky aminy, na inona na inona mitranga.

Mifanohitra amin’izany, ny tontolo tsy misy an’Andriamanitra dia mitady fiovana, ary indraindray mandà ny tsy fiovan’ny Tenin’Andriamanitra, izay ampangainy ho mifikitra amin’ny lasa. Ny fiarahamonina misy antsika dia tsy manaja intsony soatoavina ara-toe-panahy maro avy amin’ny Baiboly, ary indraindray aza mifototra amina tohan-kevitra toa lôjika mety hanakorontana ny saina.

Nefa ny Andriamanitsika dia tsy miova ! Izao rehetra izao tokoa mantsy dia noarìna tamin’ny Tenin’Andriamanitra, ary ny zavatra rehetra dia maharitra noho ny herin’Ilay Mpahary (Kolosiana 1:17). Io Teny io no fototra iorenan’ny zavatra rehetra misy. „Maina ny ahitra, malazo ny voniny ; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay” (Isaia 40:8). Hihintsana ny voninkazo, indray andro any ; ny ahitra mety halazo. Nefa tsy mba toy izany ny Tenin’Andriamanitra. Tsy voafetran’ny fotoana mandalo izy. Tsy miova izy, mandrakizay.

Mety halaim-panahy isika hiteny anakampo hoe niova ny toetrandro, ka tokony hovana ny foto-kevitra ara-Baiboly sasantsasany. Nefa tsarovy fa tsy an’izao tontolo izao isika, na dia eto amin’izao tontolo izao aza. Manana rafitra ijoroana araka ny fihevitr’Andriamanitra isika, rafitra lavorary sy feno, voafaritra ao amin’ny Baiboly. Tsy mitony ve isika, afaka mampitodika ny fiainantsika amina fanorenana tsy miova ?