Alakamisy 10 Jona 2027

Rehefa tonga ny fotoanandro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany. Galatiana 4:4

Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zanany lahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy. Marka 12:6

 

Naniraka ny Zanany Andriamanitra

Tamin’ny taonjato faharoa, ny kristiana dia niaina fanoherana mafy avy tamin’ny Jiosy sy avy tamin’ny jentilisa. Koa nisy mpanoratra maro nampiely lahatsoratra miendrika taratasy misokatra, niantefa tamina olona ambony na tamina amperora. Tamin’ny taonjato faha-15 vao sendra hita tao amina fivarotana trondro tao Constantinople, natao famonosana trondro, ny iray tamin’ireny taratasy ireny, dia ny „Epistily ho an’i Diognète”. Izao no sombiny tamin’ny voasoratra tao :

„Tsy anjely avy any an-danitra no nirahin’ny Tsitoha ho etỳ amintsika, fa tena ny Zanany mihitsy… Ilay ankatoavin’ny kintana. Zanak’Andriamanitra Izy, avy amin’Andriamanitra, nirahiny ho an’ny olona mba ho Mpamonjy. Tsy hitsara antsika no nisehoany, nefa ho avy ny andro haha Ilay Mpitsara Azy, ka iza no hahazaka ny fanatrehany ? amin’izay. Mbola tsy tonga io fotoana io, satria mahari-po aoka izany Andriamanitra, Izay tsy miova na oviana na oviana. Izy dia namorona tao an-tsainy drafitra tena lafatra, mahatalanjona, izay tsy nampahafantariny afa-tsy ny Zanany. Voalohany indrindra dia tiany naseho fa ny olona dia tsy afaka hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny ezaka ataon’ny tenany samirery. Manaraka izany, tamin’ny ora voatendry dia noraisin’i Jesosy tamin’ny tenany ny vesatr’ireo fahotantsika, ary natolony ny ainy ho avotra ho antsika : Izy, Ilay Masina, ho an’olona tsy mankatò, Ilay Lavorary, ho an’olona ratsy fanahy, Ilay Marina, ho an’olona tsy marina. Inona no afaka hamafa ireo tsy fahamarinantsika, raha tsy ny fahamarinany ? Iza ankoatra Ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra no afaka hanamarina ny ratsy fanahy sy ny mpaniratsira an’Andriamanitra ? Asa tsy takatry ny saina izany ! Fahasoavana tsy hay ihoarana ! Ny fahamelohana lehilahy sy vehivavy tsy hita isa, dia niantsorohan’Ilay hany Marina, ary ny fahamarinan’Ilay Tokana, nanamarina olo-meloka tsy tambo isaina.”