Alarobia 9 Jona 2027
Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao. Salamo 94:19
(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana… dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. Matio 11:28-29
Ianao ve, misy fotoana, mba rakotr’ireo eritreritrao ? Ao anatin’ny fanahintsika ao, mety hipoirana tena tafiotra mihitsy, tsy hita maso nefa dia misy tokoa. Ny vesatry ny lasa, ny ankehitriny tsy azo antoka, ny tebiteby ateraky ny hoavy, ny fahoriana manoloana ny fitsapana, ny hatezerana, ary ny fampitahana ny tena amin’ny hafa, fampitahana velombelomin’ny tambajotran-tserasera —izany rehetra izany dia mety hiteraka kotaba ao anatintsika ao.
Io tabataba anaty io dia mibahan-toerana aoka izany, ka mety hanakana antsika tsy hahare ny feo mampitony avy amin’Andriamanitra. Nefa Izy dia mahafantatra tanteraka izay rehetra momba antsika, ny toe-javamisy eo amin’ny fiainantsika, ireo eritreritsika, ireo tahotra eo amintsika. Izy irery ihany no mahay mitondra fiadanana ho antsika.
Ndao handinika ny fiainan’i Jesosy tetỳ an-tany. Na teo aza ny hasarotry ny lalana, ny fankahalana tsy miato nanodidina Azy, ny tsy fahatakaran’ny olona mbamin’ny tsy rariny, dia naka fotoana hivavahana Izy. Nefa tsy hoe minitra vitsivitsy —alaina vetivety eo anelanelan’ny tontolo andro feno zavatra be loatra atao-, fa fotoana maharitra isanandro, atokany ho laharan-kamehana ho an’ny Rainy.
Andriamanitra irery no mahay manome antsika indray ny fiadanana. Ho amin’izany anefa, dia mila manokana fotoana hiarahana aminy isika, mila mijanona fotsiny izao, mba ho eo amin’ny fanatrehany. Ny famakiana ny Teniny, ny firesahana aminy amin’ny vavaka, dia hanolo tsikelikely ireo fihevitsika, mba hitovy amin’ny Azy, hampitony ireo feo anaty manakorontana antsika. Toy ny nitenenany hoe „Mangìna !” tamin’ny tafiodrivotra izay nampatahotra ny mpianany, Jesosy dia te hiteny amin’ireo tafiodrivotra ao anatintsika mba hitony. Ndao hihaino Azy !