Talata 8 Jona 2027
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy (Jesosy) no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika, hamonjy ny rahalahy. 1 Jaona 3:16
Estera, zazavavy kamboty natao sesitany, dia nanjary vadin’ny mpanjaka Ahasoerosy sy mpanjakavavin’ny Fanjakanabe persiana. Tamin’ny fotoana niakarany teo amin’ny sezafiandrianana dia nisy didy vao nosoniavina, nitaky ny andripahana ireo Jiosy teo amin’ny firenena. Jiosy anefa i Estera, ary tsy nahafantatra izany ny mpanjaka. Izy irery no hany afaka miditra an-tsehatra, saingy misy fitsipika tena hentitra ny fanatonana ny mpanjaka, ary na ny mpanjakavavy aza dia tsy afaka mijoro eo anatrehany, raha tsy nantsoiny ho eo aminy. Ny tsy fankatoavana io fitsipika io dia maha voaheloka ho faty, raha tsy hoe ny mpanjaka mihitsy no manondro azy amin’ny tehim-bolamenany, mba ho famindrana fo aminy (Estera 4:11). Nanapa-kevitra i Estera hanao vy very ny ainy, mba hamonjeny ny mpiray firenena aminy, dia nahomby !
Ndao handray fampaherezana vitsivitsy avy amin’izany. Ho afaka nampiasa ny zo maha mpanjakavavy azy i Estera, mba hamonjeny ny tenany, nefa dia nanao vy very ny ainy mihitsy izy, mba hanavotany ireo mpiray tanindrazana aminy. Ny fanapahan-keviny dia manosika antsika hanao laharan-kamehana ny soa ho an’ny rahalahy sy anabavintsika kristiana, alohan’ny an’ny tenantsika.
Estera dia teo amina toerana saropady, nefa nampiasain’Andriamanitra teo amin’ny toerana nisy azy, mba hanatanterahany ny fikasany. Araka izany dia afaka manompo an’Andriamanitra ihany koa isika, na inona na inona toerana misy antsika. Nampiseho herimpo lehibe sy fatokiana an’Andriamanitra izy, ka sahy niseho teo anatrehan’ny mpanjaka, na tsy nantsoiny aza. Efa nomanin’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra, ary neken’ny mpanjaka hatrany izy. Isika ihany koa dia afaka miantehitra amin’Andriamanitra, toa an’i Estera, na ao anaty zava-tsarotra tsy azo ihoarana aza.
Farany, nivoaka tamin’ny fanginany i Estera, ary nilaza tamin’ny mpanjaka fa Jiosy izy ! Ary dia niova hevitra ny mpanjaka. Isika ihany koa, sahia manambara eo amin’ny manodidina antsika fa kristiana isika !
(tapitra)