Alatsinainy 7 Jona 2027

Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika… araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana. Efesiana 1:3-5

Malala eo imasoko ianao… sady tiako. Isaia 43:4

 

Natsangana ho zanaka

„Tsy mba nahafantatra ny ray aman-dreniko mihitsy aho. Noho izany aho dia nihalehibe tany amina trano fitaizana kamboty. Indray andro dia nisy mpivady te hanangan-janaka, tonga tao. Hitako izy ireo nitsangana teo sy nisafidy —ary naniry mba horaisiny aho. Nangetaheta hanana ankohonana aho, hanana ray sy reny. Nefa ankizy hafa no noraisiny. Nandeha teny ny taona. Mpivady maro no tonga sy nisafidy —saingy tsy nisy nisafidy ahy mihitsy. Nanantena sy naniry tamin’ny foko manontolo aho mba hanana ankohonana hanangana ahy, na inona izy na inona ! Nefa tsy nisy nila ahy. Indray mandeha aho dia nanontany ny mpiandraikitra ny trano fitaizana hoe : „Dia tsy misy olona mba mila ahy ve izany ?” Nampiaka-tsoroka izy, niteny hoe : „Tsy fantatro re. Indray andro any, angamba, mety hisy hisafidy koa ianao”. Nefa tsy nety tonga mihitsy izany. Tatỳ aoriana aho dia nandalo toeram-pitaizana samihafa : akany, trano nandalovana vetivety, toeram-pitaizana ankizy nania. Ankehitriny aho dia atỳ am-ponja.

Teto aho no sambany nahare resaka momba an’i Jesosy Kristy : nisy pasitera niara-namaky ny Baiboly taminay, nanazava hoe tena tia antsika fatratra Andriamanitra. Dia nandray ny Tompo Jesosy ho Mpamonjiko aho, ary nanomboka namaky ny Tenin’Andriamanitra. Indray mandeha aho dia tojo ny teny hoe : „ny nifidianany antsika tao aminy… mba ho Azy amin’ny fananganana anaka, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (Efesiana 1:4-5). Zava-baovao toy inona moa izany : nifidy ahy Andriamanitra, ary nandray ahy ! Tamin’ny fahateraham-baovao aho dia nanjary zanany, ary anisan’ny ankohonan’Andriamanitra ankehitriny.”

„Izay rehetra nandray Azy (nandray an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra) dia nomeny hery (nomeny zo) ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12).