Alahady 6 Jona 2027

Ianareo… nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe : Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Romana 8:15-16

Nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe : Aba, Ray ô. Galatiana 4:6

 

Fananganana ho zanaka ve ?

„(Ianareo) izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:13). Manana io fiainana io izany ny tsirairay amin’ireo izay mino, ary mahazo zo mampitolagaga : manjary zanak’Andriamanitra ho mandrakizay (Jaona 1:12). Tombontsoa manokana mahatalanjona anie izany e ! Koa izay olona vao nanjary mpino dia omen’Andriamanitra ny Fanahiny, hitoetra ao amin’io olona io, mba hanampy azy hiaina araka ny maha zanak’Andriamanitra azy. Ny Fanahy Masina dia tahaka marika famantarana ny maha anisan’ny ankohonan’Andriamanitra, „tombo-kase” apetany eo amin’ny zanany. Ao amin’ny Baiboly, amina dikateny hafa, ny Fanahy Masina dia antsoina ihany koa hoe „Fanahin’ny fananganana anaka”, omen’Andriamanitra ireo izay natsangany ho zanany.

Koa tonga monina ao anatin’ny mpino izany ny Fanahy Masina, ary manome azy faharesen-dahatra mafy orina hoe tena zanak’Andriamanitra tokoa izy. Dia afaka miresaka amin’Andriamanitra ny mpino, miteny aminy hoe : „Aba, Ray ô”. Ny hoe „Aba” tokoa mantsy dia teny maneho fifandraisana akaiky, mitovy hevitra amin’ny hoe „Dada”. Izany no antso miloatra ho azy avy ao am-pon’ny zaza. Fiteny mahatretrika, maneho fifandraisana malalaka sy tsy misy tahotra amin’Andriamanitra.

Nanoratra ihany koa ny apostoly Paoly fa nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika „ny Fanahin’ny Zanany” (andinin-tSoratra Masina androany). Io fifandraisana tena mamy sy akaiky aoka izany io tokoa mantsy dia mitovy amin’ilay fifandraisan’i Jesosy, Ilay Zanaka malala, amin’ny Rainy. Niteny koa Jesosy hoe : „Aba, Raiko ô” (Marka 14:36). Izy mihitsy no niteny tamin’ny Rainy, momba ireo izay nino Azy, hoe : „Ianao … efa tia azy, tahaka ny nitiavanao Ahy” (Jaona 17:23). Ny mpino dia mahalala hoe sarany toy inona moa no nitiavana azy. Nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana Kristy, mba hamafa ireo fahotan’io mpino io. Noho io sorona io, Andriamanitra dia mandray ny mpino ary tia azy toy ny fitiavana zanaka.