Asabotsy 5 Jona 2027
Raha tsy sitrakareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo… Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay. Josoa 24:15
— Ampy ve ny mangataka famelan-keloka ? „Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika” (1 Jaona 1:9).
— Tsy afaka mianina amin’ny fanaovana soa betsaka araka izay tratra ve ? „Fa fahasoavana no namonjena anareo” (Efesiana 2:8).
— Hanova ny fiainako eo no ho eo ve izany ? Hoy Jesosy : „Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” (Jaona 10:10).
— Hanampy ahy eo amin’ny zava-tsarotra, na kely na lehibe, eo amin’ny fiainana ve izany ? „Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra… hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo” (Filipiana 4:6-7).
— Ary ahoana àry ny amin’ireo fivavahana hafa ? „Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6).
— Tsotra loatra izany, ary fanatsotsoran-javatra aza ! „Nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy” (Mpitoriteny 7:29). „Ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino” (1 Korintiana 1:21).
Nandray io „tolo-kevitra” io aho. Tsy hoe nanjary mora tsy akory ny zavatra rehetra, nefa tsy anenenako izany safidy izany. Afaka mitolagaga aho amin’ny maha mitombina ny Baiboly, amin’ny fahitsiny, amin’ny maha tandrify azy… ka afaka miteny amin’Andriamanitra hoe : „Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao” (Salamo 94:19).
Stéphane (tapitra)