Zoma 4 Jona 2027

Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza… ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. Deoteronomia 30:15, 19

 

Ny „tolo-kevitra kristiana” (1)

Io fiteny io dia ilazana izay azon’ny Baiboly avaly ireo fanontaniana lehibe mipetraka eo amin’ny fiainantsika. Valiny aroso antsika : horaisina na holavina.

— Avy aiza ny atôma voalohany ? „Tamin’ny voalohany Andriamanitra …” (Genesisy 1:1).

— Ahoana no hanazavana ny amin’Andriamanitra ? „Ny fombany tsy hita… dia … fantatra amin’ny zavatra nataony ; ka dia tsy manan-kalahatra ireo (ny olona)” (Romana 1:20).

— Misy dikany ve ny fiainako ? „Andriamanitra nanao hoe : Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika” (Genesisy 1:26).

— Inona no maha samy hafa ny lehilahy sy ny vehivavy ? „Lahy sy vavy no namoronany azy… Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary indro, tsara indrindra izany” (Genesisy 1:27, 31).

— Nahoana no misy ny ratsy ? „Satria … nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe : Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao” (Genesisy 3:17).

— Nahoana Andriamanitra no tsy nanakana izany ? „Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana … ary ny fahafatesana … ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana” (andinin-tSoratra Masina androany).

— Nahoana no misy ny fahafatesana ? „Ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana ; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao” (Genesisy 2:17).

— Ary inona no hisy aorianan’ny fahafatesana ? „Rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9:27).

— Inona àry izany no tokony hataoko ? „Miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao… Miverena amin’i Jehovah, ka manaova aminy hoe : Mamelà ny heloka rehetra” (Hosea 14:2-3).

(hitohy)