Alakamisy 3 Jona 2027
Ny Tompo… hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny fikasan’ny fo. 1 Korintiana 4:5
Izay mino Azy dia tsy helohina ; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra izy. Jaona 3:18
Misy olona „hadihadina” satria nahina ho nanao heloka. Izany dia mety mahakasika ny ambaratonga rehetra eo amin’ny fiarahamonina, na ny mpanao pôlitika aza, na ny tontolon’ny fandraharahana, ny tontolon’ny fampisehoana, ny tontolon’ny fanatanjahantena… nefa ny hoe hadihadina tsy akory tsy midika hoe meloka ! Io dingana io no fiandohan’ny famotorana ataon’ny fitsarana, ary mety hitarika ho amin’ny fanamelohana, na ho amin’ny fanafahana.
Azo antoka fa hitebiteby ny olona mahitsy tsirairay rehefa hadihadina mpitsara, na mihevitra aza hoe afaka manadio tena. Nefa dia hipoitra ny fanontaniana hoe : iny moa ka aharihary avokoa izay nataoko rehetra ? Iny ka aseho ampahibemaso ny eritreritro rehetra ! Izany anefa no toerantsika eo anatrehan’Andriamanitra, Ilay Mpitsara faratampony : „Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika” (Hebreo 4:13).
Andriamanitra dia ambonin’ny zavatra rehetra, mahalala ny zavatra rehetra, ary tsy mila manao fanadihadiana, tsy mila fijoroana ho vavolombelona, na zavatra manaporofo : mpanota ny olombelona tsirairay. Koa tsy maintsy hiafara amina fanamelohana mandrakariva ny „fanadihadiana” ataon’Andriamanitra. Nefa tia ny mpanota Izy, ka manolotra ho azy lalan-kafa hivoahana, dia ny fiainana mandrakizay noho ny finoana an’i Jesosy Kristy. Araka izany, ny mpino dia afaka amin’izay rehetra mety ho arakaraka eo anatrehan’Andriamanitra, tsy hoe satria manana porofo-na tsy fananan-tsiny, fa satria Jesosy efa nizaka ny fanamelohana sahaza azy. Ary izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo (Teny faharoa androany). Mahari-po anefa Andriamanitra, ka mitaona ny olona tsirairay hitodika aminy, dieny androany !
(avy amin’ny boky „Plaire au Seigneur” mivoaka isantaona)