Alarobia 2 Jona 2027
Fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17
Efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao, ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’izao fiainana ankehitriny izao. Titosy 2:11-12
Ao amin’ny andinin-tSoratra Masina faharoa androany, ny apostoly Paoly dia miresaka ny fahasoavan’Andriamanitra, ilay tombontsoa manokana omeny ny olona rehetra. Satria tsy nankatò an’Andriamanitra isika, dia tafasaraka taminy ; nefa noho ny fahasoavany, dia afaka ho voavela heloka sy hihavana aminy. Io fahasoavana io dia atolotra ny olona rehetra, tsy anavahana fiaviana, na saranga eo amin’ny fiarahamonina, ary tsy miankina na amin’ny fahamendrehantsika na amin’ny asa vitantsika, fa miankina amin’Andriamanitra irery ihany. Tsy hita fetra ny sarany, amin’Andriamanitra, dia ny sorona nataon’ny Zanany, Izay tsy maintsy nizaka ny famaizana ireo fahotantsika. Io fahasoavana io dia atolony antsika : raiso tsotra fotsiny io fanomezana lavorary io, avy amin’Ilay Andriamanitra tia antsika.
Manaraka izany, ny fahasoavan’Andriamanitra dia mampianatra antsika hiala amin’ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra, amin’ny fiainana toy ny hoe tsy misy Andriamanitra ; handà ny filan’izao tontolo izao, ny zavatra rehetra misarika antsika ho amin’ny ratsy, ary farany, ho amin’ny fahafatesana. Ary izany dia mba hahafahana miaina ho voninahitr’Andriamanitra. Rehefa miaiky isika fa namindra fo tamintsika Izy, dia voatarika hidera Azy noho ireo zavatsoa nataony, voataona hiaina am-pankasitrahana sy am-pifaliana, ary hizara amin’ny hafa ny tombony avy amin’io fahasoavana io, hanampy azy ireo, hanohana sy hitia azy.
Ny fahasoavana dia niseho tamin’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany. Niseho tao amin’ireo teniny : ny olona rehetra dia „talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany” (Lioka 4:22). Niseho tao amin’ireo fahagagana nataony, „talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe : Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra ; fa sady mampalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana” (Marka 7:37). Ary indrindra, tamin’ny sorona nataony, dia „noho ny fahasoavan’Andriamanitra” no nahafatesan’i Jesosy hamonjy antsika tsirairay (Hebreo 2:9).
Ny fahasoavan’Andriamanitra dia fanomezana tsy hay lavina !