Talata 1 Jona 2027

Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako ; dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. Koa atolotro ho an’i Jehovah kosa izy : eny, amin’ny andro rehetra hiainany. 1 Samoela 1:27-28

Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao ; nomenao fahasahiana aho, ka nisy hery ny fanahiko. Salamo 138:3

 

Vehivavin’ny finoana vitsivitsy (6)

Hana, ranomaso nody hiram-pifaliana (1 Samoela 1)

Ao amin’ny Baiboly dia ny vehivavy, indrindra indrindra, no re mihira. Vehivavy maromaro no namorona hira fiderana an’Andriamanitra. Anisan’ireny i Hana, renin’ny mpaminany Samoela.

Tany am-piandohan’ny tantarany dia tanaty alahelo be i Hana. Tsy nanan-janaka izy, ary noho izany dia niharana fanarabiana nampahahory azy fatratra. Mandra-pahatonga ny fotoana nanapahany hevitra handeha hivavaka amin’Andriamanitra, tany an-tempoly. Nitomany mafy izy tao, ary nivavaka mangina tamin’Andriamanitra, nametraka taminy ny alahelony manontolo. Niteny mafy azy, aloha, ny mpisorona Ely, izay nanao raharaha tao an-tempoly, nefa nony farany dia niteny taminy hoe : „Mandehana soa aman-tsara ; ary homen’Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao taminy” (1 Samoela 1:17). Dia niova ny endrik’i Hana : hafaliana sy fanantenana no nisolo ny ranomasony.

Inona moa no nangatahiny tamin’Andriamanitra ? Zanaka, na marimarina kokoa, zanaka lahy izay ho azony atolotra an’Andriamanitra, avy eo. Rehefa teraka ny zaza dia nomen’i Hana anarana hoe Samoela (midika hoe „nangatahina tamin’Andriamanitra”). Ho mpanompon’Andriamanitra ao an-tempoly izy, alohan’ny hahatonga azy ho mpaminany lehibe, ilay hanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely.

Hana dia ohatra amin’ny finoana, tamin’ny vavaka an-kitsimpo nataony, vavaka am-paharetana, sy tamin’ny fihainoany ny sitrapon’ny Tompo. Ohatra ihany koa izy amin’ny fiderana, rehefa nihiaka, nony teraka ny zanany, hoe : „Ny foko ravoravo amin’i Jehovah… mifaly amin’ny famonjenao aho” (1 Samoela 2:1).