Alatsinainy 31 Mey 2027

Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao ; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao. Ohabolana 3:5-6

 

Avotsory ny familiana !

Tamin’ny fiofanany ho mpanamory fiaramanidina, dia fanintelony izao i Susan Smart no nanamory irery. Teo am-panatanterahana fiviliana teny amin’ny haavo 1500 metatra izy dia niolikolika nidina nanitsy ny tany ny fiaramanidina Cessna 150 nentiny. Fotoana fohy kely i Susan nanandrana namerina hifehy ny fiaramanidina, nefa tsy nahomby. Dia tsaroany ny torohevitry ny mpanofana azy rehefa tojo toejavatra toy izao, hoe : „Avotsory ny familiana !”

Nefa mitaky herimpo ny famotsorana. Voatery i Susan niantsoantso imbetsaka ny tenany hoe : „Avotsory !” Nony farany, feno tebiteby izy no nanangana ny tanany sy nametraka izany teo amin’ny tarehiny. Segondra vitsy monja dia niverina tsy nihilangilana intsony ilay fiaramanidina kely, efa very haavo 1000 metatra.

Nambaran’i Susan tatỳ aoriana fa lesona lehibe no azony tamin’io zava-niainany io : „Rehefa toa tsy misy na inona na inona voafehy intsony, ao amina fotoan-tsarotra, dia mampahatsiahy ahy ireo fampanantenany Andriamanitra, ary mandidy ahy hamotsotra ny familiana ny fiainako sy hitoky aminy. Hampizotra ahy mandrakariva amin’ny lalana tsara Izy. Fampanantenana hentitra izany : avy any an-danitra !”

Matetika isika dia mirona te hifehy ny zavatra rehetra amin’ny herintsika samirery. Avelao Andriamanitra handray an-tanana ny familiana ny fiainantsika —ary tsy hoe rehefa tojo zava-tsarotra ihany !

„Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka” (Salamo 37:5).