Alahady 30 Mey 2027
Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Jaona 4:23
Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro… niangona hamaky mofo izahay. Asan’ny Apostoly 20:7
Marc dia mpino te hankasitrahin’ny Tompo eo amin’ny asany. Rehefa nilazan’ny lehibeny izy mba hiasa andro alahady, ka hahazo karama be ho setrin’izany, dia naleony nandà mba hahafahany manohy manao ireo asa maha kristiana azy.
Mazava ho azy fa ny alahady dia tsy manala amin’ireo asa tsy maintsy atao amin’ny fiainana andavanandro, na mifamatotra amina raharaha manokana, toy ny fikarakarana ny marary. Ankehitriny ny alahady dia manjary atao mitovy kokoa hatrany amin’ny andro fiasana mahazatra, nefa isika kristiana dia maniry hanokana fotoana ho an’ny Tompo Jesosy amin’io andro io, andro nitsanganany velona indray.
Izany dia fotoana hararaotina hihaonana amina mpino hafa, mba hanaovana fanompoam-panahy ho an’Andriamanitra, hivavahana aminy, hihainoana ny Teniny. Irin’Andriamanitra ny mpino haneho aminy ny fitiavan’izy ireo Azy, amin’ny fitsaohana Azy (teny voalohany androany : ny Ray … mitady ny mpitsaoka Azy). Mankasitraka Azy isika, manambara aminy izay nataon’ny Kristy, Ilay Zanany, ho antsika teo amin’ny hazofijaliana. Toa an’i Maria, ao amin’ireo filazantsara, „nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo” mba hitsaoka Azy na hihaino ny teniny (Jaona 12:1-8 ; Lioka 10:39), amin’izany isika dia afaka misitraka ny fanatrehany miaraka amina mpino miangona amin’ny anarany (Matio 18:20). Ireo kristiana voalohany dia efa zatra nandray ny Fanasan’ny Tompo ny alahady (teny faharoa androany).
Ny teny hoe „alahady” dia avy amin’ny teny latina midika hoe „andron’ny Tompo”. Koa tiantsika ny manokana ho Azy io andro io, amin’ny fiderantsika mbamin’ny rakitra ho an’ireo mahantra indrindra sy ho an’ny asa misiona (1 Korintiana 16:2 ; Hebreo 13:15-16) —na dia tsy natokana ho an’ny alahady fotsiny ihany aza ireo asa ireo !