Asabotsy 29 Mey 2027
Nandre ny feon’ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra… fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany. Ezekiela 33:5
Hoy ity mpifanolo-bodirindrina amiko, izay azona aretina mafy : „Raha mba nahafantatra mantsy aho, dia efa elabe no tsy nifoka sigara intsony”. Na izany aza anefa, dia sarotra ny tsy ho nahita ireo fampitandremana mazava eny amin’ny fonosan-tsigara, nandritra ny taona maro ! Saingy matetika ny fiankinan-doha no mahery noho ireo fampitandremana. Tsy ilaina ny nenina, rehefa tonga tsy nampoizina ny aretina.
Ny Baiboly dia miresaka amintsika lehilahy manankarena iray tanatin’ny fijalijaliana taorianan’ny fahafatesany, ary nanenina satria tsy nino ny tenin’Andriamanitra. Tiany nampitandremana ny fianakaviany, mba tsy hanao toa azy (Lioka 16:19-31). Dia izao no valinteny azony : „Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy ; aoka hihaino ireo izy”. Mandraka ankehitriny, Andriamanitra dia mampitandrina antsika amin’ireo fitsarana hihatra amin’izay mandà tsy hino ny Teniny. Hatsipy any amin’ny toerana fijaliana izy (Lioka 16:28). „Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify” (Matio 22:13). Indray andro any, izay mandà tsy hino ny Tenin’Andriamanitra dia hiteny koa hoe : „Raha mba nahafantatra mantsy aho…” Saingy ho diso aoriana loatra, amin’izay, satria tsy misy hiverenana intsony. Misy fiankinan-doha sasany mety miantraika amin’ny fahasalamantsika etỳ an-tany, fa ny fandavana tsy hino an’i Jesosy Kristy kosa dia hanana vokany mampivarahontsana lavitra kokoa, satria mahakasika ny hoavintsika mandrakizay.
Andriamanitra dia „tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:4). Koa ampitandremany antsika ireo vokatry ny safidintsika ankehitriny, ary taominy isika tsy hanao ambanin-javatra ilay hany fomba hahavoavonjy antsika, izay omeny maimaimpoana : „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).