Zoma 28 Mey 2027

Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy ; ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao. Salamo 41:3

Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy ; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao. Salamo 40:17

 

Mihevitra ahy ny Tompo

Nisy kristiana iray, nafana fo fahiny tamin’ny fanompoana an’i Jesosy Kristy, tapaka lalandra ka nanjary nalemy tsy afa-mihetsika intsony. Tao amin’ny efitrany tao amin’ny hôpitaly izy dia nibanjina andinin-tSoratra Masina iray mihantona eo amin’ny rindrina, hoe : „Ny Tompo no mihevitra ahy” (andinin-tSoratra Masina androany). Hoy izy : „Miantefa amiko io andinin-tSoratra Masina io. Mazava ho azy fa mihevitra ahy ny Tompo ; fa izaho ve mba mihevitra Azy ? Nijaly mafy ho ahy Izy !” Koa tsy mba nitaraina izy, fa niaritra tam-paharetana ny fitsapana azy, noho Jesosy.

Rehefa ao anaty toejavatra sarotra isika dia mety hihevitra fa manana zo tsy hieritreritra afa-tsy ny tenantsika, ary mahita hoe ara-drariny raha mihevitra antsika ny hafa. Nefa lesona hafa tanteraka no ampianarin’ny Tompo Jesosy, Ilay oha-piainana alaintsika tahaka. Ny lalany rehetra tetỳ an-tany dia fijaliana, fanaovana tsinontsinona Azy, fanilihan’ireo mpiara-belona taminy. Nambarany tamin’ny mpianany ny hoaviny hahangirifiry Azy : „Ny Zanak’olona tsy maintsy hijaly mafy… dia hovonoiny” (Marka 8:31). Na izy ireo aza dia tsy nahatakatra izany teny izany, tsy mba niara-nijaly taminy. Nefa Izy dia nihevitra ny hafa, nandà ny tenany ho azy ireo, nampianatra azy, nanasitrana azy. Inona moa no tsiambaratelon’izany hery nitarika Azy hatramin’ny nanolorany ny tenany izany ? Ny fatokiany Ilay Andriamaniny, Ilay Rainy : „Ny Ray no ato amiko” (Jaona 16:32). Eny, Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tena Ilay Olona „ory sy malahelo” tokoa, resahin’ny Salamo 40, Ilay nahafantatra fa ny Rainy dia „nihevitra Azy”.

Ny kristiana mandalo fitsapana dia mahafantatra fa tsy manadino azy na oviana na oviana Andriamanitra ary tia azy Jesosy. Noho izany dia afaka mahazo hery izy, „mihevitra ny Tompo”, Izay manome azy hery ahafahany manampy ny hafa mihitsy aza.