Alakamisy 27 Mey 2027

Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Matio 16:16

(Hoy Jesosy tamin’i Jaona :) Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay velona ; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay. Apokalypsy 1:17-18

 

Ilay Andriamanitra velona

„Maty Andriamanitra”. Izany no nambaran’ilay filôzôfa alemàna Nietzsche (1844-1900)… izay maty efa zato taona mahery lasa izao. Nadika imbetsaka izany fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany, tamin’ny volana mey 1968, tany Frantsa, indrindra fa teny amin’ny rindrin’ny lisea sy oniversite maro : „Maty Andriamanitra”. Azon’Andriamanitra naseho, tamina fitsarana tampoka, fa Izy no Ilay Andriamanitra velona, Ilay Andriamanitra mandrakizay. Nefa nangina Izy.

Marina fa Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia maty, nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, efa 2000 taona mahery lasa izay. Maty Izy, nefa ihany koa nitsangana velona indray. Niakatra any an-danitra Izy, ary eo ankavanan’Andriamanitra ankehitriny.

Fony teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, dia niteny ratsy sy nanaraby Azy ny mpiara-belona taminy. Nihaika Azy izy ireo, hoe : „Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, midina hiala amin’ny hazofijaliana” (Matio 27:40). Hadalana re izany ! Mazava ho azy fa afaka nidina mora foana avy teny amin’ny hazofijaliana Izy, mora foana toy ny nivoahany ny fasana telo andro tatỳ aoriana. Tsy ny fantsika no nahatazona Azy, fa ny fitiavany ny olona, ny fitiavany ahy sy ianao. Nanaiky hisolo toerana antsika Izy, teo amin’ny hazofijaliana, nizaka ny famaizan’Andriamanitra noho ireo fahadisoantsika. Ny fahafatesany sy ny fitsanganany velona indray no manafaka amin’ny herin’ny devoly sy maha sambatra mandrakizay izay mino Azy. Noho ny sorona nataon’ny Zanany, Andriamanitra dia mamonjy ireo rehetra mino (1 Korintiana 1:21).