Alarobia 26 Mey 2027

Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony ? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Isaia 49:15

Tsy hita isa ny andro nanadinoan’ny oloko Ahy. Jeremia 2:32

 

Ireo nohadinoina tao Spinalonga

Ny nosy Spinalonga, akaiky kelin’ny nosy Kreta, dia resahina tantara foronina nosoratan’i Victoria Hislop, nomeny ny lohateny hoe : „Ny nosin’ireo nohadinoina”. Tao amin’io nosy io, nanomboka tamin’ny taona 1904 ka hatramin’ny 1957, no nonenan’ireo boka rehetra narian’i Kreta, dia Grisia ihany koa, avy eo. Tsy nanan-tsafidy ny marary. Na ankizy na olon-dehibe, indraindray efa antitra be, dia tsy maintsy natao sesitany tany Spinalonga avokoa. Nandrotika fo ny fifanaovam-beloma amin’ireo marary fadiranovana ireo, saika isanandro, teo an-tseranan-tsambon’i Plaka. „Nohadinoina” izy ireo, nailika, tsy mba nisy mpitsidika. Mampametra-panontaniana io zavanisy ara-tantara —tena tsy ara-drariny- io. Dia ho marina tokoa ve ilay fiteny hoe : „Lavitry ny maso, lavitry ny fo” ?

Toetra mamaritra ny olombelona ny fanadinoana : „Ary hadinoinao Andriamanitra, Izay nahary anao” (Deoteronomia 32:18). Fa Andriamanitra kosa tsy mba manadino na manilika an’iza na iza, na dia ny jiolahy faran’izay ratsy aza, raha mibebaka amin’ny fahotany izy, toy ilay jiolahy niara-nohomboana tamin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Nangataka taminy izy hoe : „Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao. Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:42-43).

Dieny izao Andriamanitra dia tsy manadino, na iray aza, amin’ny zanany etỳ an-tany, ao anatin’ireo zava-tsarotra miseho eo amin’ny fiainany andavanandro : „Tsy manadino ny fitarainany (ny fitarainan’ny ory) Izy” (Salamo 9:12). Nanamafy izany Jesosy, nilaza tamin’ny mpianany hoe : „Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy ? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny, na dia iray akory aza… Mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo” (Lioka 12:6-7).