Talata 25 Mey 2027
Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’i Jehovah… valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ny elany ianao. Rota 2:12
… ny nialanareo tamin’ny sampy, hiverenana amin’Andriamanitra, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina. 1 Tesaloniana 1:9
Nanambady nandritra ny folo taona teo ho eo i Rota, nefa tsy nanan-janaka rehefa maty ny vadiny. Niara-nipetraka tamin’i Naomy rafozambaviny sy Orpa vadin’ny rahalahim-badiny izy ; ary samy nananotena ihany koa izy mianaka ireo. Tao anaty fahoriany i Naomy dia naniry hiverina any Israely tanindrazany, nefa tsy te hanery ireo vinantovaviny hanaraka azy. Nasainy nody tany amin’ny taniny izy roa vavy, mba hanambady indray. Orpa dia nisafidy ny hody „any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny” (Rota 1:15). Rota kosa nanapa-kevitra hanaraka azy : „Izay alehanao no halehako, ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro” (and 16).
Nampiseho fitiavana lehibe ny rafozambaviny i Rota, nandà tsy hamela azy ho irery. Tamin’ny alalan’i Naomy no nifanenany tamin’Ilay tena Andriamanitra, ka nandaozany ny sampin’ny fireneny. Fiovam-po izany : niova tanteraka ny fiainany ! Niraiki-po tamina vehivavy mpino iray izy, nandao ireo fahazarany taloha sy ireo namany, mba hiaraka amin’ny vahoaka mpino. Jehovah dia nanjary „Andriamaniny”.
Neken’i Rota ny ho vahiny nandeha hivelona any Israely. Ny zotom-pony sy ny herim-pony ary ny fandavantenany hikarakara ny rafozambaviny dia hisongadina any, hany ka nanjary niharihary tamin’ny olona rehetra fa tonga mba „hialoka eo ambanin’ny elatr’i Jehovah” izy (Rota 2:12). Ny fiovam-pon’i Rota dia ohatra tsara ho antsika kristiana. Ny fitondrantenantsika ve mba mampiseho fa vokatra finoana velona an’i Jesosy Kristy ny zavatra rehetra ataontsika ?