Alatsinainy 24 Mey 2027

Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, izay nampisondrotra ny onjan-drano. Salamo 107:25

Nanony ny rivotra mahery Izy, ka nitsahatra ny onjan-drano. Salamo 107:29

 

Tafiodrivotra

Ny Baiboly dia mirakitra tantara maro miresaka tafiodrivotra nalefan’Andriamanitra, noho ny antony samy hafabe :

— Nasain’Andriamanitra nanatanteraka asa iray tsy tiany i Jona mpaminany. Tsy nankatò izy, ary nandositra tanaty sambo iray. Noho izany dia nandefa tafiodrivotra Andriamanitra, mba hisainan’ilay mpaminany tsy nankatò. Natory teo ambodin’ny sambo i Jona, nefa nofohazin’ireo tantsambo, izay nivadi-po. Tsy maintsy namboraka tamin’izy ireo i Jona hoe izy no anton’ilay tafiodrivotra, ary nandresy lahatra azy ireo hanipy azy any an-dranomasina, mba hampitony izany. Narovan’Andriamanitra anefa ilay mpaminany, ary nankatò ihany, nony farany (Jona 1-3).

— Indray hariva dia nirahin’i Jesosy hiampita ny farihy ny mpianany. Nisy tafiodrivotra mahery nitsoka, ka sahirana mafy izy ireo, nivoy. Taorianan’izany, nony alina ny andro, dia nankeny amin’izy ireo amin’izay Jesosy, „ka nikasa handalo azy”. Raiki-tahotra izy ireo, satria nihevitra Azy ho matoatoa. Nefa niakatra tao anatin’ny sambokely Izy, ary nampitony ny tafiotra (Marka 6:45-51).

— Teny ambony sambo lehibe iray ny apostoly Paoly. Nisy tafiodrivotra mahery vaika aoka izany nisandratra, ary toa nahavery fanantenana ny toejava-nitranga. Nefa nampatoky ny mpandeha i Paoly, satria efa nampanantenain’Andriamanitra fa ho tody soa aman-tsara avokoa izy ireo. Nidona teo amin’ny nosy Malta tokoa mantsy izy ireo, ary mbola nijoro ho vavolombelon’ny Filazantsara hatrany i Paoly (Asan’ny Apostoly 27 ; 28:1-10).

Ny fitsapana avelan’Andriamantra hitranga eo amin’ny fiainantsika dia toy ireny tafiodrivotra ireny. Mety ho samihafa ny antony, indraindray noho ny tsy fankatoavantsika. Nefa maro karazana ihany koa ny tanjon’izy ireny : ny fitsapana ny finoantsika, mba hanatonantsika Azy ; na koa, mba hahasoa ny mpiara-belona amintsika sy ny Filazantsara. Ndao hatoky fa manana zavatra kendrena mandrakariva Andriamanitra. Manara-maso antsika Izy, miaro antsika ao anatin’ny tafiotra ; ary mampitsahatra izany, raha vao tratrany ny tanjony !